Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

103 of 665 cards

Clear filters
“Aoka tsy hihazona ny filahiny amin’ny tànany havanana ny iray aminareo rehefa mipipy, na misasa ny henatrany amin’ny tànany havanana, na miaina ao anaty vilia”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) izy ary niteny hoe : Ry irak’Allah ô! Noelanelanin'ny Satana amin'ny fivavahako sy ny famakiako aho, nosaromany tamiko izany. Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) hoe : "izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo.”, hoy izy : “Dia nataoko izany, ka nesorin’Allah tamiko izy.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Hoy Allah ilay Tsitoha : Manozona Ahy ny zanak’i Adama, amin'ny fanompana ny loza, nefa izaho no tompon'ny loza, ary eo am-pelatanako ny raharaha rehetra ka manova ny alina sy ny andro Aho.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay tsy nahazo ny fahatsoram-po dia tsy nahazo ny hatsarana".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Irak'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“ Tsy miditra ny Paradisa izay manapaka ny fihavanana”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay miahy sy manampy ny vehivavy mananotena (maty vady) sy ny mahantra dia toy ny miady amin'ny làlan'Allah, na koa tahaka ny mitsangana mivavaka amin’ny alina na mifehy amin’ny atoandro.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim