Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

31 of 665 cards

Clear filters
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
Nanontaniana ilay Iraka mahafatokin’i Tompo Allah (S.A.W) ny amin’izay tena mampiditra ny Olona ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy nanao hoe : “ Fatahorana an’i Tompo Allah sy fananana toetraTtsara ”, ary nanontaniana Izy ny amin’izay tena mitondra ny Olona ho any amin’ny Afobe . ka nanao hoe : “ Ny Vava sy ny Taovam-pananahana ”.
Mari-pototra sy tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
"Matahora an'i Tompo Allah na aiza na aiza ny toerana misy anao, ary ampanaraho asa tsara ny asa ratsy mba hamafa izany, ary miaraha miaina amin' olona amin'ny toetra mendrika".
Hoy At-tirmizii: Hadith Hassan. Notantarain'i Al-Tirmizì
“ Ny Hataka sy ny fitalahoana dia fanompoam-pivavahana”, ary namaky Izy nanao hoe : “ Ary hoy ny Tomponareo nanao hoe : ‘Antsoy Aho, fa dia hovaliako Ianareo, eny, ireo izay manao tsinontsinona ny fanompoana Ahy dia hiditra amin’ny helo amin’ny henatra.’” [Ghafir: 60].
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
“ Tsy misy mendri-kaja kokoa eo amin’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha mihoatra noho ny Fangatahana Douan.
Tsara Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ​​ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad