Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

68 of 665 cards

Clear filters
“Mifikira amin'ny marina ianareo, fa ny fanaovana ny marina dia mitarika any amin’ny tsara, ary ny tsara dia mitondra any amin’ny Paradisa, ary ny olona iray dia tsy mitsahatra milaza ny marina sy miezaka ny hanao ny marina mandra-panoratana azy ho olo-marina eo anatrehan'Allah, ary mitandrema ianareo amin'ny lainga satria ny lainga mitondra makany amin'ny ratsy, ary ny faharatsiana dia mitondra any amin’ny afobe, ary tsy mitsahatra ny olona iray mandainga sy manohy ny lainga mandra-panoratana azy ho mpandainga eo anatrehan’Allah".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny nofy tsara dia avy amin'IAllah, ary ny nofy ratsy dia avy amin'i Satana, ka raha misy aminareo manonofy izay mampahatahotra azy, dia aoka handrora amin'ny ilany havia izy, ary hitady fialofana amin'IAllah amin'ny faharatsian'izany, dia tsy hahavita haninona azy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy ilay mahay miady no lazaina fa matanjaka, fa ny matanjaka dia ireo izay mahavita mamehy ny tena rehefa tezitra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahy wa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari