Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

29 of 665 cards

Clear filters
Raha tena manankina marina ny fiainanareo amin'i Tompo Allah Ianareo, dia hanome anjara masoandro ho Anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy mibontsina hatrany ny kibony (voky) rehefa Izy miverina amin'ny ariva. (Izany hoe mandehana mitady n'y anjara masoandro no sady dia ankino tsara amin'i Tompo Allah ny fiainana).
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmad sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah sy Ibno Hibban Ao amin'ny Swahih-ny ary Al-Hakim
"Ny hatsarana dia ny fananana toetra mendrika, ary ny fahotana dia izay mampijaly eritreritranao ary tsy tianao hitan'ny Olona .
Mari-pototra Ny Hadith voalohany: Notantarain'i Moslim, ary ny Hadith faharoa: Notantarain'i Ahmad sy Ad-Darimi.
Aza atsahatra amin'ny fahatsiarovana an'i Tompo Allah ny lelanao ".
Mari-pototra Notaterin'i Ahmadi sy Tirmizi sy Ibno Màdjah ary Ibno Hibban
“Ry olombelona, ​​mifampiarahaba ianareo, manomeza sakafo, tohizo ny rohim-pihavanana, ary mivavaha amin’ny alina raha mbola matory ny olona, ​​dia hiditra ao amin’ny paradisa amim-pilaminana ianareo.”
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“Tsy hambarako anareo ve ny tsara indrindra amin’ny asanareo, izay madio indrindra eo imason’ny Mpanjakanareo, izay ambony indrindra eo amin’ny voninahitrareo ary tsara kokoa ho anareo noho ny famoahana volamena sy ny vola, ary tsara kokoa ho anareo mihoatra fifandonanareo amin'ny fahavalonareo ka tapahinareo ny vozony ary hotapahainy ny vozonareo?" Namaly izy ireo hoe : Eny dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Ny fahatsiarovana an’i Allah ilay Tsitoha”.
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah ary Ahmad
“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) rehefa mievina dia mametraka ny tànany - na lamba - eo amin'ny vavany - na mampihena - ny feony.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".
Marina miaraka amin'ny porofo hafa Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad