Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

13 of 665 cards

Clear filters
Rehefa nanao Takbir tamin'ny vavaka ny irak'Allah, dia nangina kely talohan'ny nitenenany, ka hoy aho : Ry irak'Allah ô, noho ny reniko sy ny raiko, inona no zavatra teneninao amin'ny fahanginana kely nataonao? Dia hoy izy namaly : “Miteny aho : Allah ô, halaviro amin’ny fahotako aho tahaka ny nanalaviranao ny Atsinanana sy Andrefana, Allah ô, diovy aho ho afaka amin’ny fahotako tahaka ny fanadiovana ny akanjo fotsy amin’ny loto“, Allah ô, sasao amin'ny fahotako aho amin’ny ranomandry sy ny rano ary ny havandra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
I Mpaminany (S.A.W) rehefa miala amin'ny Swalat izay nataony dia mangataka famelan-keloka in-telo, ary miteny hoe : " Allahoumma antas-salàmo wa minkas-salàmo Tabàrakta yà zhal-Djalàly wal-ikràmo". Niteny i Al-walìd : noteneniko tamin'ny Aozàì' hoe : Ahoana ny fomba fangatahana ny famelan-keloka? Namaly izy hoe : Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha Astaghfirol-loàha.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay mamaky ny Ayatol-Korsi aorian'ny vavaka dimy isan'andro, dia izy mbola tsy maty ihany no tsy hidirany ao amin'ny paradisa."
Mari-pototra Notantarain'i An-nasàì tao amin'ny Al-Kobra
Rehefa nanandratra ny lamosiny avy niankohoka ny irak’Allah (S.A.W), dia miteny hoe : “Samiallaho liman hamidah - Henon’Allah izay nidera Azy, Ry Allah Tomponay ô! Ho Anao anie ny dera, mameno ny lanitra sy mameno ny tany, ary mameno ny rehetra ankotr'izany izay sitrany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay manome voninahitra an’i Allah (soubhanallah) in-telo amby telopolo isaky ny aorian’ny swalat, ary midera an’I Allah (alhamdolillah) intelo amby telopolo, ary (Allaho Akbar)’ in-telo amby telopolo, izany dia sivy amby sivifolo, ary miteny amin'ny fahazatony hoe : "Lailaha Illallaho wahdaho La sharika laho, Lahol-molko walahol-hamdo wahowa ala-kolli Sha'in kadir, dia ho voafafa ny fahotany na dia toy ny rotran-dranomasina aza".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Matetika i Ibn Zobair rehefa mamarana Swalat ataony dia miteny hoe : " Là ilàha illal-loàhou wahdahòu Là Sharìka-laho lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìr, là hawla walà qowwata illà billàhy, Là ilàha illal-làhou walà na'bodou illà iyyàhou, lahon-ni'mat wa lahol-fahdlou wa laht-thanàol-hasan, Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna walao karihal-kàfiròna " ary miteny koa izy hoe : " irak'Allah (S.A.W) dia mamerimberina ireo rehetra ireo isaky ny vita Soalat ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Noraisin'i Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny tànany aho ary niteny izy hoe : "Ry Moaz, mianiana amin'I Allah aho fa tena tiako ianao", avy eo dia niteny hoe : Mametraka hafatra aminao aho ry Moaz aza avela mihitsy isaky aorian'ny vavaka ny miteny hoe : "Allahoumma Aainni Alaa-Zikrika Wa shokrika Wahosni ibadatika".
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad
Tsy nivavaka mihitsy ny Mpaminany (S.A.W) taorian'ny fidinan'ny Sorat : {Rehefa tonga ny fandresen'I Allah sy ny fanokafana} [Al-Nasr: 1] afa-tsy hoe nampanarahiny teny hoe : "Voninahitra ho Anao ry Tomponay, ary ho Anao anie ny fisaoarana Allah ô, mamelà ahy.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim