Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
Izy dia nanao “Allaho Akbar” amin'ny vavaka tsy maintsy atao rehetra sy amin'ny hafa, amin’ny Ramadany sy amin'ny fotoana hafa, dia miteny “Allahou Akbar” izy rehefa mitsangana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa miankohoka, avy eo miteny. : "Samiallaho liman hamidah, dia hoy izy : "Rabbanà Walakal-Hamdo", alohan'ny hiankohofany, avy eo izy miteny hoe: "Allahou Akbar" rehefa midina amin'ny fiankohofana ary reheha manainga ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo dia miteny hoe “Allaho Akbar” izy rehefa miankohoka, avy eo miteny hoe “Allahou Akbar” rehefa manandratra ny lohany avy amin’ny fiankohofana, avy eo miteny hoe “Allaho Akbar” rehefa mitsangana avy amin'ny fipetrahana teo amin'ny fiankohofarana roa, ary izany hatrany no ataony isaky ny rakaat mandra-pahavitany ny vavaka, avy eo dia miteny izy rehefa hiala manao hoe: Mianiana aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Ny vavaka ataoko no mitovy kokoa amin'ny vavakin'ny irak'Allah raha oharana amin'ny anareo, ary toy izany no vavaka nataony mandra-pialany teto an-tany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Ny irak'I Allah dia manangana ny tànany eo an-tsorony rehefa manokatra ny fivavahana, sy rehefa manao Takbir amin'ny fiondrehana, ary rehefa nanandratra ny lohany tamin'ny fiondrehany dia nanandratra azy roa koa; avy eo dia miteny hoe : “Samiallaho Liman Hamida, Rabbana Walakal-hamdo", ary tsy nanao izany izy rehefa niankohoka.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nampianatra ahy ny Tashahhoud ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niditra tao amin'ny moske ny irak'Allah, ary nisy lehilahy iray niditra sy nivavaka ary niarahaba an'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy ary niteny manao hoe : «Miverena mivavaka ianao, satria tsy mba nivavaka”, Dia niverina nivavaka tahaky ny nataony teo aloha ary nanatona an'ny Mpaminany (S.A.W) sady niarahaba azy. Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : "Miverena mivavaka ianao fa tsy mbola nivavaka mihitsy", naveriny in-telo. Dia hoy izy : Mianiana amin’Ilay naniraka anao amin’ny fahamarinana aho ry Irak'Allah, fa tsy mahay tsara noho iny aho, koa ampianaro", dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Rehefa mitsangana hivavaka ianao dia mitenena Allah Akbar, avy eo mamakia izay vitanao amin'ny andininy masina Coran, avy eo mihondreha tsara ianao mandra-pahatonianao eo am-pihondrehana, dia mitsangana ianao mandra-pijoroanao mahitsy tsara, ary miankohofa mandra-pahatonianao eo am-piankohofana, dia miharena ianao mandra-pahitanao fa tafapetraka tsara ianao, Ary ataovy izany amin’ny vavaka rehetra ataonareo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Nodidiana aho hiankohoka amin’ny taolana fito: Eo amin’ny handrina, ary nanondro teo amin’ny orony ny tànany, eo amin'ny tànany roa, sy ny lohaliny roa, sy ny tendron-tongotra roa, ary tsy aholona (apiakarina) ny akanjo sy ny volo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy andian-dehilahy maro tonga tany amin'i Sahl bin Sa'ad As-Sa'idi, ary izy ireo dia nifanditra momba ilay hazo nanaovana ilay polipitra,ka nanontany azy ny amin'izany izy ireo, dia hoy izy : "Miainiana amin'Allah aho, fa tena fantatro tokoa izany, ary izaho dia nahita izany tamin'ny andro voalohany nametrahana azy, sy tamin'ny andro voalohany nipetrahan'ny Irak'Allah (S.A.W) teo amboniny. Nandeha olona ny Irak'Allah (S.A.W) tany amin'ny vehivavy "Ansar" iray izay nantsoiny hoe Sahl -: “Ilazao ilay zanakao mpandrafitra handrafitra hazo ipetrahako rehefa miresaka amin’olona aho.” Dia nandidy azy izy, ka dia nataony izany, tamin’ny hazo an’ala, aorian'izany dia noentiny, ka dia nalefany tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) izany ary nasainy nalaina ka napetrany teo amin'ny toerany. Taorian'izany dia hitako ny irak'Allah (S.A.W) nivavaka teo amboniny sy niteny hoe “Allahou Akbar” dia niondrika teo amboniny, dia nidina, nihemotra ary niankohoka teo alohohan’ny polipitra, avy eo niverina, ka rehefa tampitra izany dia nitodika tany amin’ireo olona izy ary niteny hoe : “Ry olona, ​​tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.” .
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim