Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
“Izay miteny rehefa mandre ny mpiantso hoe: ‘Ash-hado An là ilàha illàlaho wahdahò là sharìka laho, wa anna mohammadan a'bdoho warasòloho, Radÿto billàhi Rabban Wabimohamadin Rasòlan wa Bil-Islami Dìnan, dia ho voafafa ny fahotany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Rehefa mandre ny antso ho amin'ny vavaka ianareo (Azan) dia averenonareo izay lazain'ilay mpiantso."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Eo anelanelan'ny Azan roa dia misy swalat avy eo izy dia niteny tamin'ny fahatelo manao hoe : "Ho an'izay mila izany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Raha miteny ny mpiantso amin'ny Azan hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, ka niteny ny iray aminareo hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, Avy eo miteny izy hoe : Ash-hado An-là ilàha Illal-làho, dia miteny indray hoe :Ash-hado An-là ilàha Illal-làho. Avy eo miteny izy hoe : "Ash-hado Anna Mohammadan Rasòlollàhi", dia miteny indray hoe : "Ash-hado Anna Mohammadan Rasòlollàhi". Avy eo miteny izy hoe : Hayya A'las-soalat, dia miteny indray hoe: Là haola wala kowwata Illa- billàhi. Avy eo miteny izy hoe : Hayya A'lal-Falàhi, dia miteny indray hoe : Là haola wala kowwata Illa- billàh Avy eo miteny izy hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, dia miteny indray hoe : Allaho Akbar Allaho Akbar, dia miteny izy hoe : Là ilàha Illal- llàho, dia miteny indray ao am-pony hoe : Là ilàha Illal- llàho, dia hiditra ny Paradisa izy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim