Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
"Izay mahay tsianjery andininy folo manomboka amin'ny fiandohan'ny Surah Al-Kahf dia ho voaro amin'ny Dajjal (Antikristy)." Ary amin'ny fitantarana iray : "Amin'ny faran'ny Sorat Al-Kahf."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Niteny Allah ilay Tsitoha manao hoe : Nozaraiko roa ny soalat eo Amiko sy ny Mpanompoko, ary azon’ny mpanompoko izay angatahiny, ka rehefa miteny ilay mpanompo hoe : {Alhamdo lillàhi Rabbil-A'lamìne}, dia hoy Allah : Nisaotra Ahy ny mpanompoko, ary raha miteny izy hoe : {Ar-Rahmànir - Rahìm}, dia hoy Allah : Nidera Ahy ny mpanompoko, ary rehefa miteny izy hoe : "Màlik Yawmiddìn", dia hoy Allah : “Nankalaza Ahy ny mpanompoko. Ary miteny koa izy hoe : “Efa natolony ho Ahy ny momba azy rehetra”, dia rehefa niteny izy hoe : “iyyàka na'bodo wa iyyàka nastaì'n” Dia hoy Allah : “Izany no manelanelana Ahy sy ny mpanompoko, ary mpanompoko dia hahazo izay angatahiny, ka raha milaza izy : {Ihdinas-swiràtal-mostaqìm, swiràtal-lazìna an'amta a'laihim, ghairil-maghdòbi a'laihim wala-dwàllìn", dia hoy Allah hoe : Izany dia ho an'ny mpanompoko, ary ho azon’ny mpanompoko izay angatahiny".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Aza ataonareo ho toy ny fasana ny tranonareo, tena marina fa mandositra ny trano namakiana ny Sorat Al-Baqarah i Satana.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy tena lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'I Tompo Allah ? " Namaly Izy ka nanao hoe : Niteny Aho : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no Mahalala an'izany. Niteny Izy hoe :" O ! Ry Abal-Monzhir, fantatrao ve ny andininy lehibe indrindra ao amin'ny Bokin'i Tompo Allah ? " Namaly Izy hoe : Niteny Aho : {Alloahou Là ilàha illà howal hay-youle- Qayuòmou} [Al-bakarat: 255]. Nilaza Izy ary nikapohiny kely ny Tratrako, ary Nilaza Izy hoe : " Hitoetra am-pahasambarana tsara ao Am-ponao anie ny fahalalana ry Abal-Monzhir ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Fa i Mpaminany (S.W.A) rehefa matory eo am-pandriana isakin'ny alina dia manambatra ny felatànany roa, ary tsofiny eo Aminy ny, { Qol howalloahou Ahado } sy { Qol ao'zhou birabbil falaq} ary { Qol ao'zhou birabbin-Nàsy } avy eo dia safoIny izay rehetra tratran'izany amin'ny Vatany, atombony avy eo amin'ny Lohany sy ny Tarehiny, ary ireo faritra aloha amin'ny Vatany mantolo, ka Ataony in-telo avokoa izany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Nambara tamiko ireo andininy - na nilatsaka - izay tsy mbola hita hatrizay hatrizay, dia ireo fiarovana roa."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim