Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

27 of 665 cards

Clear filters
"Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat, Hoy ireo mpiara-diany : Na dia ady masina aza? Namaly izy hoe : Eny! Na dia ady masina aza! Afa tsy hoe : Olona iray nivoaka niaraka tamin’ny harenany sy ny vatatenany namonjy ady masina ka tsy niverina intsony".
Mari-pototra Notaterin'i Boukhàri sy Abou Daòudou ary ny lahateny avy Aminy
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy.
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
“Ry Bilal ô! Atsangano ny soalat, ampakao sasatra amin'alalan'izany izahay”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd
"Mitsahatra ny penina amin'ny olona telo : ny matory ka hatramin'ny hifoazany, ny zaza mandra-pahampy taonany, ary ny adala mandra-pisainany".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
Hoy aho : Ry irak’Allah ô, inona no zo ananan’ny vadin’iray aminay dia aminy, hoy izy : “Omenao sakafo izy rehefa misakafo ianao, ary ampitafianao rehefa mitafy ianao na hoe rehefa mahazo vola ianao? Aza mikapoka ny tarehy, aza manozona, ary aza ilaozana raha tsy ao an-trano”.
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
“Izay manambady tsy nahazo alàlana avy amin’ny mpitaiza azy, dia tsy manan-kery ny fanambadiany - in-telo - ary raha nanao firaisana izy, dia azy ny vodiondry na inona na inona nitranga, ary raha mifanditra izy ireo dia ny manampahefana no mpiahy an’ireo izay tsy manana mpiahy.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
“Miadia amin’ireo mpanompo sampy amin'ny alàlan'ny volanareo sy ny ainareo ary ny lelanareo”.
Mari-pototra Notaterin'i Abo Daòd sy Nasày ary Ahmad