Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
“Izay tonga eo aminareo ka ny raharahanareo rehetra eo ambany fahefan'ny lehilahy iray, ka te handrava ny fahefanareo, na hampisaraka ny fitambaranareo, dia vonoy izy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Hisy fakam-panahy, ary izay mipetraka ao aminy dia ho tsara kokoa noho izay mandeha ao, ary izay mandeha ao dia tsara kokoa noho izay mihazakazaka manatona azy, Ka raha midina na tonga izany “Koa izay manana rameva dia aoka hifikitra amin’ny ramevany, ary izay manana ondry dia aoka hifikitra amin’ny ondriny, ary izay manana tany dia aoka izy hifikitra amin’ny taniny". Niteny : Hoy lehilahy iray : Ry Irak'Allah, ahoana raha misy olona tsy manana rameva na ondry na tany? dia namaly izy hoe : “Mitondra ny sabany izy ka mamely ny lelany amin’ny vato, ary manavo-tena raha afaka manao izany, Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Moave tsy efa nampita ny teny ve aho? Niteny izy : Dia hoy ny lehilahy iray : Ry irak’Allah ô, ahoana ny hevitrao raha voatery entina any amin’iray amin’ireo andian'olona roa aho, na any amin’ny iray amin’ireo vondrona roa? ka novelesiny tamin'ny sabany aho, na hisy balapilesy tonga hamono ahy? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Izy no hitondra ny fahotany sy ny fahotanao, ary ho anisan’ny mponin’ny helo izy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Hisy mpitondra ka ho fantatrareo sy tsy ho ankasitrahinareo, ka izay mahalala dia ho afaka madio (amin'ny fahotana, na fihatsarambelatsihy), ary izay tsy mankasitraka dia ho voavonjy (amin'ny fiarahana mitsokombakomba), fa izay mankasitraka sy manaraka kosa.” Hoy izy ireo : Tsy tokony ho vonointsika ve izy ireo? Hoy izy : “Tsia, raha mbola nivavaka izy ireo.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanao velirano tamin'Ilay Irak’Allah (S.A.W) izahay, mba hihaino sy hankatò amin’ny sarotra sy mora, amin’ny mampavitrika sy mampalaina, na amin'ny fitiavana ny hafa noho ny tenanay, tsy hifanditra ny raharaha amin'ny tompony, ary hilaza ny marina na aiza na aiza misy anay, Tsy hatahotra ny tsin'ny mpanome tsiny noho ny Allah.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay miala amin’ny fankatoavana ary misaraka amin’ny vondron'ny maro ka maty, dia maty toy ny fahafatesan’ny olona tamin'ny fotoan'ny fahabadoana, ary izay miady eo ambany fanevan'ny hajambana, tezitra noho ny fokony, ​​na miantso ady noho ny fokony, ​​na manohana an'ady ny fokony ka maty, dia maty toy ny fahafatesana tamin'ny fotoan'ny habadoana (anaty fahaverezana), ary izay mikomy ny vahoakako, ka mamono ny olo-mendrika sy ny olon-dratsy ao aminy, ary tsy miraharaha ny mpino ao aminy, ary tsy mahatanteraka ny fanekena nifanaovany tamin'izay nanaovany izany (ireo olona tsy mpino eo ambany fiahian'ny mpino), ka dia tsy momba Ahy izy, ary Izaho tsy momba azy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim