Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

15 of 665 cards

Clear filters
"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".
Mari-pototra Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
Hoy aho : Ry irak'Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Hoy izy : “Angataho amin’I Allah ny fahasalamana”. Nijanona andro vitsivitsy aho dia avy eo niverina ka niteny hoe : Ry irak'I Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Dia hoy izy tamiko : "Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra".
Marina ho an'ny hafa Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“Ry Tompoko, mamelà ny heloko, ny tsy fahalalako, ary ny fihoaram-pefy amin’ny raharahako rehetra, ary ianao no mahafantatra tsara noho izaho. Allah ô, mamelà ny heloko, izay fananiana nataoko, ny tsy fantatro sy ny esoeso ary izany rehetra izany. Allah oo, mamelà ahy amin’izay narosoko sy nahemotra, ary izay nafeniko ary izay nambarako, dia Ianao no mampandroso ary ianao no manemotra, ary ianao no manana fahefana amin’ny zavatra rehetra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilay arabo tambanivolo iray tonga teo amin’ny Irak’Allah (S.AW) niteny hoe : “Ampianaro zavatra hoteneniko aho.” Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy : «Teneno hoe : Là ilàha Illallàho Wahdahò Là sharìka lahò, Allaho Akbar Kabìra', Walhamdo lillàhi Kathìran, Sobhànallàhi Rabbil-a'lamìna, La hawla walà-qowwata illà billàhil-A'zizol-Hakìm, izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiombona aminy, Allah no lehibe indrindra, dera betsaka ho an'Allah, dera ho an'Allah tompon'izao tontolo izao, Tsy misy hery na tanjaka afa-tsy amin’Allah, Ilay Mahery sy Hendry” Dia hoy ilay tambanivolo : Ho an’ny tompoko ireo rehetra ireo, ka inona no mba ho ahy? Dia hoy Mpaminany (S.A.W) : “Teneno : Allahommaghfirli Warhamnì wahdinì warzoqnì. Izay midika hoe : Allah ô, mamelà ny heloko, mamindrà fo amiko, tariho aho, ary omeo anjara aho.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Lazao hoe : ‘Allah ô, tariho aho ary arovy aho, ary tsarovy amin'ny fitarihanao ny làlana, ary ny famaliana dia famalian’ny zana-tsipìka".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tompo o ! mangataka Aminao ny Tenako ny fahitsina sy ny fatahorana ary ny tsy fahadiovam-pitondran_tena sy ny harena ihany koa."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Allah ô, atsarao ho ahy ny finoako, izay fiarovana ny raharahako, ary atsarao ho ahy ny fiainako eto an-tany, izay misy ny fivelomako, ary atsarao ho ahy ny ankoatra misy ny fieverenako, ary ataovy ny fivelomana ho feno hatsarana rehera, ary ny fahafatesana no fialan-tsasatra amin'ny ratsy rehetra".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim