Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
"Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro. Allah ô! Mangataka Aminao ny soa nangatahin’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao taminao aho, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy izay nangatahan'ny mpanomponao sy Mpaminaninao fiarovana taminao ny momba azy. Allah ô! mangataka Aminao ny Paradisa aho, ary na inona na inona teny na asa izay mampanakaiky ahy amin’izany, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny Afobe sy izay rehetra mampanakaiky azy amiko. ary mangataka Aminao aho mba tsara daholo ny didy izay nalahatrao amiko".
Mari-pototra Notantarain'i Ibn Màdjah sy Ahmad
Ny irak'Allah dia matetika no niteny hoe : "Ry mpamadika fo, ataovy mafy orina amin'ny finoanao ny foko.", dia hoy aho hoe : O ry irak'Allah! Mino an'I Allah izahay sy izay noentinao ka matahotra ny aminay ve ianao? Namaly izy (S.A.W) : “Eny, ny fo dia eo anelanelan’ny rantsantanan’I Allah roa ka avadibadiny arak'izay tiany".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
"Allah ô! Mitady fiarovana Aminao aho mba tsy ho dobon-trosa, sy resin’ny fahavalo, ary ny fifalian’ny fahavalo".
Mari-pototra Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
Hoy aho : Ry irak'Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Hoy izy : “Angataho amin’I Allah ny fahasalamana”. Nijanona andro vitsivitsy aho dia avy eo niverina ka niteny hoe : Ry irak'I Allah ô! Ampianaro zavatra iray aho izay hangatahako amin'I Allah. Dia hoy izy tamiko : "Ry Abbas, ry dadatoan'ilay Irak'Allah (S.A.W), angataho amin'I Allah ny fahasalamana eto an-tany sy ny any ankoatra".
Marina ho an'ny hafa Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad