Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

120 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (55)
"Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy : ny fijoroana ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia mpanompony sy irany, manangana ny swalat, mamoaka zakat, manao Hajj any amin'ny trano masina ary ary mifehy amin'ny Ramadany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niteny Aho hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Allah ! itanao ireo rehetra izay nataoko tamin'ny fotoan'ny habadoana toy fanomezana na koa famotsorana andevo, fanohizana ny rohim-pihavanana, moa va hazahoako valisoa izany rehetra izxany ? Niteny i Mpaminany (S.A.W) : " Raha nanaiky ny finoana Islamo Ianao dia ho voaray avokoa ireo tsara izay Nataonao ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : Inona no fahotana lehibe indrindra eo imason’I Allah? Hoy izy : “Ny fanaovanao zavatra hafa hiombona amin’I Allah nefa Izy no nanamboatra anao.” Hoy aho : “Lehibe tokoa izany.” Hoy aho hoe : Inona aorian'izany? Hoy izy : “Ny hamonoanao ny zanakao; noho ny fatahoranao sao hiara-mihinana aminao izy.” Hoy aho : Dia inona aorain'izany? Hoy izy : “Ny fijangajangana amin’ny vadin’ny namanao.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ny afonareo dia ampahany kely amin'ny fitopolo fizarana ny amin'ny Afobe", nisy Niteny hoe : O Ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah, Izany dia efa ampy. Namaly Izy ka nanao hoe : " Sivy ambin'ny Enimpolo avo heny ka ny iray amin'izany dia tahakan'ny hafanany ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Zon'ny mpino silamo amin’ny silamo namany dia enina”. Nisy nilaza hoe : Inona àvy izy ireo ry irak’Allah? Dia namaly izy hoe : “Raha mifanena aminy ianao dia arahabao izy, ary rehefa manasa anao izy dia valio, ary raha mitady torohevitra izy dia toroy hevitra, ary raha mievina izy dia miderà an’I Allah dia tohano, ary raha marary izy dia tsidiho, ary raha maty izy dia manaraha ny fatiny mba handevina azy”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim