Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”, Hoy izy : Izay ihany ve? dia hoy aho : Eny, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha nilaza izany izy, dia hoy ny Satana : Voaaro ny amiko izy amin’ny andro rehetra sisa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd
"Ny olona dia manaraka ny finoan'ny namany, koa aoka ny tsirairay aminareo hijery izay ho namany."
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Izay maka tahaka ny vahoaka iray dia toy izy ireo ihany koa. "
Tsara Notantarain'i Abo Daòd sy Ahmad
"Izay manao Ratsy, dia i Allah no hamaly sy hanisy ratsy Azy, ary izay mametra-tena ho mafy dia ho mafy Aminy i Tompo Allah."
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad