Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

7 of 665 cards

Clear filters
"Aza miarahaba voalohany ireo Jiosy na Kristiana, fa raha mifanena amin'ny anankiray amin'izy ireo eny an-dàlana ianareo, dia tereo amin'ny làlana tery izy ireo."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tsy azo atao ny mandao (mirafy) ny rahalahiny mihoatra ny telo alina, rehefa mifankahita izy ireo, ary mandà izy roa lahy, mifanome lamosina ary ny tsara indrindra amin'izy ireo dia izay manomboka miarahaba manao ny Salamo."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha misy iray aminareo mifanena amin’ny rahalahiny, dia aoka izy hiarahaba azy, ka raha nisy hazo, na rindrina, na nampisaraka azy roa, ka nihaona aminy indray izy taorian'izany dia aoka hiarahaba azy ihany koa.”
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana Islam no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa."
Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim