Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

39 of 665 cards

Clear filters
"Tsy ho mpino ny iray aminareo raha tsy efa mitia ho an'ny rahalahiny izay zavatra tiany ho an'ny tenany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa, Ireo izay marina amin’ny fitsarany, sy amin'ny fianakaviany, ary ireo izay iadidiany».
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Iray amin’ireo teny azon’ny olona avy tamin’ny tenin’ny faminaniana voalohany dia izao : ‘Raha tsy menatra intsony ianao, dia ataovy izay tianao.’ ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Tsy misy zavatra mavesatra indrindra eo amin'ny mizanan’ny mpino amin’ny andro farany mihoatry ny toetra tsara, ary halan’i Allah ny vetaveta sy tsy fahamendrehana”.
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì
"Ankamorao fa aza akasarotina, ary milazà vaovao mahafaly fa aza mampandositra".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“ Izay mino an’i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hiteny tsara na hangina, ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka Izy mba hanao tsara amin'ny mpifanolo-body rindrina Aminy; ary izay mino an'i Tompo Allah sy ny Andro farany dia aoka izy mba hikarakara tsara ny vahininy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
Nisy lehilahy iray niteny tamin’ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Toroy hevitra aho, dia hoy Izy (S.A.W) taminy hoe : “ Aza tezitra .” Naverimberiny im-betsaka izany dia hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : “Aza tezitra”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari