Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
"Izay nanohana mpanompo vavy roa mandra-pahatongan'ny fahamatorana, dia izaho sy izy amin'ny andro farany toy izao", ary nanondro ny rantsantanany izy.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy ho lazaiko aminareo ve izay hamafan’I Allah ny fahotana sy hanandratana ny voninahitra?” Namaly izy ireo : “Eny, ry irak’i Allah ô.” dia hoy izy : Ny fanaovana ozo amin'ny fotoana manahirana sy fandehana im-betsaka any amin'ny moske ary ny fiandrasana swalat aorian'ny swalat, izany no fatorana lehibe".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny vola tena tsara indrindra dia ny vola izay navokan'ny olona mba ho fanomezana amin'ireto manaraka ireto : vola izay avoakany ka nomeny ireo ankohonany, ny vola izay avokan'ny olona amin'ny biby ho fitainginy noho ny Allah, ary ny vola izay laniny amin'ireo namany noho ny amin'I Allah" Niteny i Abou Qilabah : nanomboka tamin’ireo ankohonany, avy eo i Abo Qilabah dia niteny hoe : Iza no olona mahazo valisoa lehibe mihoatra ny olona mandany vola amin’ny havany, dia hamela ny helony Allah na hanasoa sy hampanan-karena azy ireo.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny vavaka dimy isan'andro, ny vavaka zoma hatramin'ny zoma manaraka, ary ny ramadany hatramin'ny ramadany manaraka, dia famafana ny eo anelanelan'izy ireo raha miala amin'ny fahotana lehibe."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Ny asa tsara rehetra dia fanomezana".
Mari-pototra Notaterin'i Boukhàri amin'ny Hadithe an'i Jabir ary Notaterin'i Mouslimo amin'ny Hadithe an'i Houzayfat
Nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) aho hoe : asa inona no tena tian'Allah? Hoy izy : “Ny fivavahana amin’ny fotoana voatondro” Hoy izy : Inona aorian'izany? Namaly izy : “ny fanaovan-tsoa amin’ny ray aman-dreny.” Hoy izy : “Dia inona aorian'izany? namaly izy : “Jihad amin’ny làlan’Allah.” Hoy izy : Ireo no nambarany ahy, ary raha mbola nitady fanampiny taminy aho, dia nanampiany.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny fanompoana ao anatin'ny vanom-potoan'ny korontana dia toy ny fifindra-monina mankaty amiko."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay maniry ny hanitatra ny fivelomany, ary ny hanitatra ihany koa ny anjaram-pivelomana, dia aoka izy hihazona ny fifandraisany amin'ireo havany. "
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim