Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

8 of 665 cards

Clear filters
"Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Irak'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe : "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Mouaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ny asa rehetra dia miisa Enina, ary ny olona rehetra dia miseho amin'ny endrika Efatra, ary misy didy roa sy ohatra roa, ary ny valisoa dia hampitombona folo avo heny, ary asa soa dia eo amin'ny fiton-jato , fa ny didy roa dia : Izay Maty ka tsy nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia izany Olona izany dia hiditra amin'ny Paradisa, fa izay Maty ka nanakambana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra-hafa dia ireny kosa dia hiditra amin'ny Afobe, fa ny mitovy dia izay miheritreritra Hanao asa soa ka tsapany avy ao Am-pony dia ahazoana valisoa iray izany, fa izay Manao asa ratsy kosa dia ahazo valiny iray monja ihany, fa izay Manao asa soa dia mahazo folo, fa izay mamoaka amin'ny làlan'ny Tompo Allah dia ahazo valiso fiton-jato. Fa ny Olombelona dia : Misy manana eto an-tany ary mahantra any amin'ny Andro farany, ary mahantra eto an-tany Sambatra any an-koatra, ary Sahirana eto an-tany sy any ankoatra ary misy koa ny Sambatra eto an-tany sy any ankoatra".
Tsara Notantarain'i Ahmad
Nitaingina tao aorian'ny Mpaminany (S.A.W) Aho tamin'ny apondra antsoina hoe : Oufair, dia Niteny Tamiko Izy ny hoe : " O ! Ry Moua'zh, fantatrao va inona ny Zon'i Allah amin'ireo mpanompony, ary inona ihany koa ny Zon'ireo mpanompony amin'i Allah ? " ka Namaly Aho : Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala izany, ary Niteny Izy ka nanao hoe : fa ny Zon'i Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza ", ka hoy Aho manao hoe : O ! Ry Iraka'Allah moa va tsy holazaiko amin'ny olona rehetra izany? Dia namaly izy (S.A.W) ka nanao hoe : "Aza ambara fa manjary miankin-doha amin'izany avokoa izy ireo ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Tena marina tokoa fa i Tompo Allah dia hametraka Lehilahy iray eo anatrehan'ny zavaboary rehetra izay nohariany amin'ny Andro farany , ka dia havelatra eo Aminy ny takelaka sivy ambiny sivifolo, ka isaky ny takelaka dia toy ny fara-taka-maso, avy eo dia ho lazaina Aminy ny hoe : lavinao va ireto, nanao tsy rariny Taminao va ireo Anjely izay mpandray an-tsoratra an'ireo asa izay niandraiketan'izy ireo ? ka Hilaza Izy ka hanao hoe : Tsia Tompoko; ka manana fialantsiny mahakasika ny amin'ny izany va Ianao, dia namaly Izy ka nilaza nanao hoe : Tsia Tompoko, ka noho izany dia ho lazaina Aminy : Eny fa manana tombotsoa iray ety Aminay Ianao, Satria tsy hambakaina Ianao androany, avy eo dia avohaka ny karatra iray izay misy ireo Fijorona vavolombelona fa tsy afaka manompo afa-tsy i Allah irery ihany ary i Mpaminany Mouhammadi (S.A.W) no Irany, ka lazaina ny hoe : Ento aty ho lanjaina ka hilaza Izy hanao hoe : O Ry Tompo Allah ! Inona no lanjan'ity karatra ity eo anatrehan'ireo takelaka maro be samy hafa ireo, Dia holazaina Aminy ny hoe : Tsy hambakaina Ianao Androany, Nilaza Izy : Natao teo ambonin'ny Mizana fandanjana ireny takelaka ary ny ilany nametrahana ilay Karatra, nipitika ireny takelaka ary navesatra ny karatra ka tsy misy zavatra havesa-danja eo anatrehan'i Allah mihoatry ny Anaran'i Allah".
Mari-pototra Notantarain'i al-Tirmizì sy Ibn Màjah
Nisy Lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah !, Tsy misy haratsina na koa fahotana afa-tsy hoe Nataoko avokoa, Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : "Tsy efa nijoro vavolom-belona fa tsy misy Tompo afa-tsy i Tompo Allah ary i Mouhammadi dia Irak'Allah va Ianao ? " naveriny in-telo. dia Namaly Izy hoe : Eny, Niteny i Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : " izany dia mamafa Azy rehetra izany ".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Ya'la sy Al-Tabaràni ary Al-Diya' Al-Makdisi
Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.A.W) tamin'ny Dadatoany ka nanao hoe : " Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany " Hoy Izy namaly hoe : Raha tsy naneso sy nanome tsiny ahy amin'izany ireo foko sy firazanana Kouraisita - amin'ny fitenenan'izy ireo Ahy hoe : Ny tebiteby ihany no nahatonga azy hanao izany - dia ny mba ho nampifaly Anao tamin'izany Aho. Teo dia nampidinin'i Tompo Allah ilay andininy Soratra masina hoe : { Innaka Là Tahdy Man Ahbabta Waläki-nnalloaha Yahdiy Man Yasha = Tena marina fa Ianao dia tsy afaka mitarika izay Olona Tianao taritina ry Mouhammadi fa i Tompo Allah irery ihany no mitarika izay tiany } [ Al-qasas :56].
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim