Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

3 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmadi sy Tirmizi sy Nasày ary Ibno Màdjah