Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

41 of 665 cards

Clear filters
Misy toetra efatra, izay Olona misy azy ireo dia lazaina fa mpihatsaravelatsihy, ary raha ampahany amin'izany no misy Aminy dia misy toetran'ny mpihatsaravelatsihy ihany Izy mandra-pamelany izany toetra izany : Olona izay mandainga rehefa miresaka, tsy manatanteraka ny teniny rehefa mampanantena zavatra, miala lalana (tsy milaza ny marina fa mitaky izay tsy Azy na mandà ny zon'ny hafa Aminy) rehefa misy disadisa, ary mahasahy mivadika rehefa manao ny fifanekena amin'ny zavatra.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
Indray andro dia nipetraka teo amin'ny polipitra ny Mpaminany (S.A.W) ary nipetraka teo amin'ny manodidina azy izahay, ary niteny izy : "Iray amin'ireo zavatra atahorako aminareo ao aorian'ny fiainako dia ny hisokatra ho anareo ny fahafinaretan'izao tontolo izao sy ny haingony” Dia hoy ny lehilahy iray : Ry irak’Allah ô, mety hahatonga ny ratsy va ny tsara? Nangina ny Mpaminany (S.A.W), ka hoy izy ireo taminy : Inona no manjo anao? Miresaka amin'ny Mpaminany va ianao, nefa tsy miresaka aminao izy? Dia hitanay fa nidina taminy izany? Dia hoy izy : "Aiza ny mpanontany?" Toy ny hoe nidera Azy izy, dia nilaza hoe : “Eny tokoa, ny tsara dia tsy mitondra ratsy, ary izay maniry ny loharano dia mamono na manimba, afa-tsy ny mpihinana maitso, dia nihinana izy mandra-pahatongan'ny lanivoany, ka nahazo fofona, dia nisotro izy, dia nihinana izy, ary maitso sy mamy io vola io, ka tena tsara tompon'ny silamo iray izy nanome izany ho an'ny mahantra sy ny kamboty ary ny mpandeha an-tongotra - na amin'ny maha-mpaminany azy. , hoy - ary na iza na iza maka izany tsy amin’ny zony dia toy ny mihinana nefa tsy voky, ary ho vavolombelona hiampanga azy izy amin’ny andro fitsanganan’ny maty.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny hoe : “Iharan'ny sazy tokoa izy roa, ary tsy voasazy akory izy roa noho ny fahotana lehibe, fa ny iray amin’izy roa dia tsy niaro ny tenany tamin’ny fipipizany, ary ny faharoa dia nandeha nitati-dresaka” Avy eo dia naka ravin-kazo mando izy, nozarainy roa, ary napetany teo amin’ny fasana tsirairay avy. Hoy ireo mpanaradiany : “Ry irak’Allah ô, nahoana ianao nanao an'io? Dia hoy izy : “Angamba hanome fanamaivanana ho azy ireo izany, raha mbola tsy maina izy roa (ravin-kazo).”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Misy fahasoavana roa no adinodinon'ny olona maro : Ny fahasalamana sy ny fanànana fotoana malalaka.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Namaky i Mpaminany (S.A.W) ny andininy Soratra masina hoe : { Hoa Alladhi 'anzal a'layk Alkitàb minh àyàtom Muhkamat Hunn 'umm Alkitàb wa'ukhar Mutashàbihàt fa'amma Alladhin fÿ Qulubihim Zayghoun Fayattabio'na mà Tashàbah Minho-btigha' Alfitnat wabtigha' ta°wilihi, Wamà ya'lam ta°wilaho 'illa alllahu, Walrràsikhuna fil i'lm yaqolona àmanna bih qol kollon min i'ndy Rabbina wamà Yadhdhakkar 'illà ôlol al'albàbi } [Al i'mrän: 7] Niteny Izy hoe : Niteny ilay Irakan' i Tompo Allah (S.A.W) : " Koa raha Hitanareo izay manaraka andininy mitovitovy amin’izany, dia ireo no nolazain'i Tompo Allah, koa mitandrema amin’izy ireo ihany koa
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny kely indrindra amin'ny fijalian'ny mponin'ny helo dia izay manana kapa sy tranolay mirehitra roa, izay mangotraka ny atidohany toy ny vilany, ary tsy mihevitra izy fa misy olona mahazo sazy mahery kokoa noho izy, nefa tena famaizana mora indrindra amin’izy ireo.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy ho tonga ny ora farany raha tsy mandalo ny fasan’olona ny lehilahy iray ka hiteny izy manao hoe : Enga anie mba izaho no teo amin’ny toerany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim