Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

126 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (56)
" Ny fidiovana dia tafiditra ho anisany an-tsasakin'ny finoana; ary ny fitenenana hoe : "Alhamdolillah " (Dera sy vonahitra ary fisorana feno fankasitrahana ho an'i Allah) dia mameno ny mizana; vato fan-dajana ny fitenenana hoe : " Soubehànallwahi wal-hamdolillàhy " (Midera sy mankasitraka an'i Allah) dia mameno ny manelanelana ny lanitra sy ny tany izany ; ny Soalat (fanompoam-pivavahana an'i Allah) dia hazavana; ny Soadakat (fanomezana an-tsitrapo) dia porofo (amin'ny fahamarinan'ny finoana); ny faharetana dia fanilo, ary ny boky masina Koroany dia porofo miaro Anao amin'ny rehetra na mety manohitra Anao ihany koa. Ka ny olona rehetra dia samy mivoaka avokoa amin'ny maraina, ary mivarotra ny tenany (amin'ny alalàn'ny fampiasana azy mba hahazoana ny takalo izay ilaina), ka na manavotra azy Izy amin'izany, na koa mandentika azy. "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Tena marina fa Allah dia tsy mijery ny tarehinareo sy ny harenanareo, saingy ny fonareo sy ny asanareo no jereny."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Nisy lehilahy naratra teo alohanao, ka natahotra izy, dia naka antsy ka notapahiny ny tànany, ary tsy nitsahatra ny rà mandra-pahafatiny. Niteny I Allah manao hoe : Nihazakazaka nanatona Ahy tamin’ny tenany ny mpanompoko, ka norarako ho azy ny Paradisa”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Any amin'ny Paradisa, ny mpino dia hanana lay vita amin'ny perla iray, enim_polo taona ny halavany, ary hivezivezy ao ireo mpino ka tsy hifankahita izy ireo".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
" Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa. "
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Tsy ho tena mpino ny iray aminareo raha tsy efa mankatia ahy mihoatra ny rainy sy ny zanany ary ny olombelona rehetra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Izay manome antoka Ahy ny eo anelanelan’ny volombavany roa sy ny eo anelanela-peny roa dia manome antoka Azy ihany koa Aho fa dia ahiditra ny Paradisa Izy.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
"Mahagaga tokoa ny fiainan'ny mpino, satria ny fiainany rehetra dia tsara avokoa, ary tsy hita amin'ny olon-kafa izany afa-tsy amin'ny mpino ihany, raha ny zava-tsoa nahazo azy dia mankasitraka ka tsara ho azy izany, ary raha tra-pahorina dia miharitra ka tsara ho azy ihany koa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim