Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

15 of 665 cards

Clear filters
"Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah
" Ny tonom-bavaka tsara indrindra dia ny : LA ILAHA ILLA-LLWAHO (Tsy misy tompo mendrika ho tompoina amin'ny marina afa-tsy i Tompo Allah), ary ny fangatahana sy fitalahoana tsara indrindra dia ny : AL-HAMDO LILLAHI (Fisaorana sy fankasitrahana ary fiderana an'i Tompo Allah) ".
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ibn Màjah
“Izay miteny : Amin’ny anaran’I Allah ilay tsy mahavita manao ratsy ny anarany ireo zava-drehetra na eto an-tany na any an-danitra, Izy ilay mandre sy mahalala, intelo, dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-pahatongavan'ny maraina, ary izay miteny an'izany intelo amin’ny maraina dia tsy hisy loza hanjo azy tampoka mandra-paharivan’ny andro". Hoy izy : Narary i Abana bin Othman, ka nibanjina azy ilay lehilahy nandre ny hadith taminy, dia hoy izy hoe : Nahoana no mijery ahy ianao? Mianiana amin'I Allah aho, fa tsy nandainga tamin'i Othman aho, ary tsy nandainga tamin'ny Mpaminany (S.A.W) koa i Othman, fa tamin'ny andro nisehoan'ny zava-nitranga tamiko dia tezitra aho ka nanadino ny nilaza izany.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmadi sy Tirmizi sy Nasày ary Ibno Màdjah
"Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro. Allah ô! Mangataka Aminao ny soa nangatahin’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao taminao aho, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy izay nangatahan'ny mpanomponao sy Mpaminaninao fiarovana taminao ny momba azy. Allah ô! mangataka Aminao ny Paradisa aho, ary na inona na inona teny na asa izay mampanakaiky ahy amin’izany, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny Afobe sy izay rehetra mampanakaiky azy amiko. ary mangataka Aminao aho mba tsara daholo ny didy izay nalahatrao amiko".
Mari-pototra Notantarain'i Ibn Màdjah sy Ahmad
Hoy izy rehefa tratra ny maraina : “Allah ô, Ianao no namoha anay ny maraina, ary Ianao no nahatonga anay nahatratra ny hariva, Ianao no ivelomanay, Ianao no ahafatesanay, ary Aminao no hiverenanay” Hoy izy rehefa amin’ny hariva : “Anao no nahatraranay ny hariva, ary Anao no nahatraranay ny maraina, ary Ianao no iainanay, Ianao no hahafatesanay, ary any Aminao no hiverenanay" ary indraindray izy miteny : "Ary any Aminao no tanjona farany."
Tsara Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày Ao amin'ny Kobra ary Ibn Màdjah