Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
“ Rehefa namorona ny Paradisa sy ny Afobe i Allah, dia naniraka an’i anjely Jibril (A.S) Izy mba ho any amin’ny Paradisa, ka hoy Izy hoe : “Jereo ny ao sy izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao. Dia nijery izany Izy, avy eo niverina ka niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona handre izany ka tsy hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny fahasahirana, dia hoy Izy : Mandehana any, ka jerevo ary izay efa nomaniko ho an’ny mponina ao aminy. Dia nijery an'izany Izy ka hitany fa voahodidin'ny fahasahirana avokoa izany, dia hoy Izy hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho sao tsy hisy olona hiditra ao. Dia hoy i Allah indray hoe : Mandehana, jerevo ny Afobe sy izay efa namboariko ho an’ny mponina ao. Dia nijery azy i Jibril, ka hitany fa nifamatotra avokoa ny zava-drehetra, dia niverina Izy ka niteny nanao hoe : Noho ny Voninahitrao, dia tsy hisy Olona hiditra ao. Koa nasainy hodidinin’ny filan’ny nofo avokoa izany, ka hoy Izy hoe : Miverena, ka jerevo. Dia nijery izany Izy, ka hitany fa voahodidin’ny filan’ny nofo, avy eo dia niverina Izy ka Niteny hoe : Noho ny Voninahitrao, dia matahotra Aho fa sao dia tsy hisy handositra an'izany ny olona fa dia hiditra ao avokoa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Al-Nasàì
"Tena marina fa ny tomponareo Dia saron-kenatra no malala-tànana ka menatra amin'ny mpanompony raha mangataka Aminy dia ho averiny tana-potsiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd sy Tirmizì ary Ibn Màjah
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”, Hoy izy : Izay ihany ve? dia hoy aho : Eny, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha nilaza izany izy, dia hoy ny Satana : Voaaro ny amiko izy amin’ny andro rehetra sisa.
Tsara Notantarain'i Abo Daòd
Hoy izy rehefa tratra ny maraina : “Allah ô, Ianao no namoha anay ny maraina, ary Ianao no nahatonga anay nahatratra ny hariva, Ianao no ivelomanay, Ianao no ahafatesanay, ary Aminao no hiverenanay” Hoy izy rehefa amin’ny hariva : “Anao no nahatraranay ny hariva, ary Anao no nahatraranay ny maraina, ary Ianao no iainanay, Ianao no hahafatesanay, ary any Aminao no hiverenanay" ary indraindray izy miteny : "Ary any Aminao no tanjona farany."
Tsara Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày Ao amin'ny Kobra ary Ibn Màdjah
"Izay nihinana hanina ka niteny hoe : Alhamdoulillahillazi At'aamani haza warazakanihi min ghairi hawlin minni wala kowwa, izay midika hoe : Isaorana anie Allah izay nampihinana sy nanome ahy ity sakafo ity, tsy tamin'ny heriko na tanjaka avy amiko, dia ho voavela ny heloka vitany teo aloha."
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad