Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

41 of 665 cards

Clear filters
“Ny akanjon’ny mpino silamo dia mipaka hatrany amin’ny antsasaky ny tongony, ary tsy misy elanelana – na tsy maninona – eo anelanelan’izy io sy ny kitrokeliny, ary izay eo ambanin’ny kitrokely dia ao amin’ny helo, izay misintona ny akanjony ambany amin’ny tsy rariny, dia tsy ho jeren'I Allah izy.”
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
Isaky ny tonga mamangy ny marary i Mpaminany dia manao Doan ho azy manao hoe : “Esory ny fahoriany, ry Tompon’ny olombelona, ​​ary sitrano izy fa Ianao no mpanasitrana, tsy misy fahasitranana afa-tsy ny fanasitrananao, fahasitranana izay tsy mamela ny aretina".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Raha manoaka ny anankiray aminareo, dia aoka hanapina ny vavany ny tànany, satria ny satana dia hiditra ao.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
i Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Ny zon’ny silamo amin’ny silamo namany dia dimy : mamaly ny fiarahabana, mamangy ny marary, manatrika fandevenana, mamaly ny fanasana ary famaliana vavaka ny olona mievina.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy azon'ny lehilahy atao ny mijery henatry ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mijery ny henatry ny vehivavy hafa, ary ny lehilahy tsy tokony hiray lamba amin’ny lehilahy hafa, ary ny vehivavy tsy mahazo miray lamba amin'ny vehivavy hafa".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao? Dia hoy izy namaly hoe : “Teneno hoe : Allahomma Soalli à'la Mohammadin Wa à'la à'li mohammadin kama soallaita à 'la Ibrahima Wa à'la aàli Ibrahima Innaka hamidon madjid. Allahomma baarik à 'la Mohammadin wa à'la à 'li Mohammadin kama bà'rakta à 'la Ibrahima wa à'la a'li Ibrahima Innaka hamidon Madjid".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim