Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

55 of 665 cards

Clear filters
“i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nolazaiko tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny hoe : Ampy ho anao ny avy amin'i Safiyya izao sy izao, hoy ny fitantarana hafa hoe : Izy dia fohy - Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) : "Efa nilaza teny iray ianao, raha afangaro amin’ny ranomasina izany, dia hangidy.” Hoy izy : “Nolazaiko taminy ny momba ny olona iray, dia niteny i Mpaminany (SAW) : “Tsy tiako ny miresaka momba olona, ​​ary tsy tiako ny miteny hoe Izao sy izao.”
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
"Tena marina fa Allah nandidy amin'ny fanaovana tsara amin'ny zava-drehetra ; ka raha mamono biby ianareo, dia aoka mba hanatsara ny famonoana azy, ary raha manapaka biby fiompy ianareo, dia tapao tsara; ka aoka handrangitra tsara ny Lelan'antsiny ny tsirairay aminareo mba , ary hampiadana ny biby tapahiny ."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Izay tsy mamindra Fo amin'ny Olona, dia tsy hamindra ao aminy ihany koa i Allah ilay avo Tsitoha."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Aza manao tsinontsinona ny asa soa, na dia amin'ny endrika falifaly aza no rehefa mifanena amin'ny rahalahinao."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" Raha misy olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza aminy mivantana hoe tia azy izy ."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad
Nandre lehilahy iray nananatra ny Rahalahiny momba ny fahamaotinana (Henatra) i Mpaminany (S.A.W), ka hoy Izy Taminy hoe : “ Ny Henatra na ny fahamaotinana dia anisan’ny Finoana ”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim