Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady azy, ary tsy hanao fifehezana amin'ireto andro roa ireto : Al-Fitr sy Al-Adha, ary tsy hivavaka aorian’ny Fajr mandra-piposahan’ny masoandro sy aorian’ny Asri mandra-pilentikiny , ary aza manao fitsidiana masina afa-tsy amin’ny moske telo: ny Moske Haram, ny Moske Al-Aqsa, ary ity moskeko ity”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Tandremo ny fidirana amin'ny vehivavy." Dia hoy ny lehilahy avy amin'i Answar: Ry irak'Allah, ahoana raha havam-bady? Dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Ny havam_bady mihitsy no fahafatesana”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.” Na koa hoy izy hoe : “ankoatrany”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim