Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

75 of 665 cards

Clear filters
Tsy nahita an'ny irak'Allah teo am-pandrina aho tamin'ny alina, Dia nokasihiko izy ary ny tànako dia nahazo teo amin’ny faladian-tongony raha mbola tao amin’ny toeram-pivavahana izy, ary nijoro tsara ireo, dia hoy izy : «Allah ô, mangataka fiarovan'ny fifalina manoloana ny fahatezeranao aho, ary ny famelanao manoloana ny famaizanao, ary mangataka fiarovana Aminao mba tsy ho afaka amin'ny fiderana Anao toy ny nideranao ny tenanao aho".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Manaova Soalat mitsangana ianao, fa raha tsy vitanao izany dia mipetraha, ary raha tena tsy vitanao dia matoria".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy namela rakaat efatra alohan'ny mitataovovonana sy roa rakaat alohan'ny maraina.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) isaky ny aorian'ny soalat tsy maintsy atao rehetra manao hoe : “Là Ilàha Illallàho Wahdahò Là Sharìka Laho; Lahol Molko Walahol Hamdo Wahoa A'là Kolli Shai-in Qadìr. . Allahomma là Màni'a' limà à'twaita walà mo'tia limà mana'ta walà yanfa''' Zal djaddi minkal djaddi."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay nihinana tongolo gasy na tongolo, dia aoka izy hisitaka anay - na hoy izy : Aoka izy hisitaka ny toeram-pivavahanay - ary mijanona any an-tranony”, ary ny Mpaminany (S.A.W) nomena vilany nisy anana voanjobona tao, ka naheno fofona avy tamin’ireo izy, ka nanontany izy ka nolazaina ny tao anatiny; dia hoy izy : Ento any amin'ireo mpanara-diako, ary nony nahita azy nankahala ny fihinanana izany izy ireo, dia niteny hoe : “Mihinàna ianao izaho dia mifampiresaka amin’izay tsy iresahanao.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Rehefa mandre ny mpiantso amin’ny Azan ianareo, dia lazao izay lazainy, dia mivavaha ho ahy, fa izay mivavaka indray mandeha ho ahy, dia hitahy azy impolo Allah, aorian'izany dia angataho amin’Allah ho ahy ny "wasìlat" fa izany dia toerana avo ao amin’ny Paradisa, tsy mendrika ho amin’izany raha tsy mpanompon’Allah iray ihany, ary manantena aho fa izaho no izy, ka izay mangataka amin’Allah ho ahy "wasìlat, dia hahazo ny fanelanelanakol".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Teny tenenina ao arian'ny Soalat izay tsy maha fatiantoka ny miteny azy – na manao azy – isaka aorian’ny Soalat dimy : Fiderana telo amby telopolo, fisaorana telo amby telopolo, ary “Takbira” efatra amby telopolo.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny teo anelanelan'ny fiankohofana roa : "Rabbighfirli Rabbighfirli - Tompoko ô!, Mamelà ahy, Tompoko ô!, Mamelà ahy."
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad