Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

44 of 665 cards

Clear filters
" Ny SIAKY dia fanadiovana ny vava, ary fampifaliana an'ny Tompo Allah ".
Mari-pototra Notantarain’i Al-Nasàì sy Ahmad
"Rehefa manao Ozo ny mpanompo iray" na "mpino iray", Ka manasa ny tarehiny, dia mivoaka amin'ny tarehiny miaraka amin'ilay rano ny fahotana rehetra nojeren'ny masony" na miaraka amin'ilay rano farany nilatsaka amin'ny tany". Rehefa manasa ny tànany anakiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tànany ihany koa ireo fahotana rehetra nataon'ny tànany". Rehefa manasa ny tongony anankiroa izy dia mivoaka manaraka ny rano mikoriana avy amin'ny tongony ireo fahotana rehetra nataon'ny tongony". na "mivoaka miaraka amin'ny rano farany milatsaka". Farany dia "Mivoaka madiodio amin'ireo fahotana rehetra vitany izy".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nitaraina tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) i Omm Habibah binti Jahsh, izay teo ambany fiahian'i Abd al-Rahman bin Awf, momba ny rà, dia niteny izy (S.A.W) : "Mijanòna ianao mandritra ny fe-potoan'ny fadim-bolanao, avy eo dia mandroa.” dia nisasa izy isaky ny hivavaka.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Ny Mpaminany (S.A.W), dia mandro tamin'ny " sàa' " iray ka hatramin'ny dimy fatra, ary nanao ozo tamin'ny "modd" iray izy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny am-pandehanana, ka niondrika aho mba hanala ny kirarony, dia hoy izy hoe : “Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana” ka nisafoiny fotsiny.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nanontany an'i Aisha (R.A) aho, dia hoy aho : Inona no zavatra nanombohan'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa niditra tao an-tranony izy? Dia namaly izy hoe : Amin'ny siwak (fiborosina nify).
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
" izay Olona manao fidiovana masina (Ouzo) ka nataony tsara ammim-pahamendrena izany, dia hivoaka amin'ny vatany ny fahotany ary hivoaka hatrany ambanin'ny hohony."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nametrahako rano teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ka nandro izy, dia nitakomako tamin'ny lamba, avy eo nandrotsaka rano tamin'ny tànany roa dia nosasany, ary nitopasany rano tamin'ny tànany havanana sy havia ka nosasany ny henatrany, napetany tamin'ny tany ny tànany avy eo nikosehiny ary nosasany, avy eo nikotsam-bava izy ary nampiditra rano kely tao amin'ny orony, avy eo nanasa ny tarehiny sy ny tànany anankiroa, avy eo nitopasany rano ny lohany sy ny vatany iray manontolo, avy eo nisitaka kely ka nanasa ny tongony roa, avy eo nitolorako lamba izy fa tsy nandray, ka niala teo no sady namafa ny rano teo amin'ny vatany tamin'ny tànany roa.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim