Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

21 of 665 cards

Clear filters
"Ny mpino feno sy manam-pinoana indrina dia izay manana toetra tsara, ary ny mendrika indrindra aminareo dia izay mendrika indrindra amin'ny vadiny".
Tsara Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì ary Ahmad
“Fahafinaretana ny fiainana eto an-tany, ary ny fahafinaretana tsara indrindra eto an-tany dia ny vehivavy hendry.”
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay manam-bady roa ka mitongilana any amin’ny anankiray amin’izy ireo, dia ho avy izy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty dia mitongilana”.
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
Nampianatra anay Irak'Allah (S.A.W) khoutoubat Al-hàjat manao hoe : Inal-hamda Lillàhy nataì'nohò wa nastaghfirhòu, wa naò'zhou bihì min shoròry anfosinà, man yahdil-làhou falà modwilla lahò, wa man youdlilo falà hàdiya lahò, wa ash-hado an-là ilàha illal-loàho wa ash-hado anna Mohammadan An'bdouhòu wa rasòulohò, (Yà ayyohan-nàso ittaqòu Roabbakomol-lathì khalaqakom min nafsin wahidatin wakhalaqa minhà zaowjahà wabaththa minhomà Rijàlan kathìran wanisà-à wattaqol-loàha allathì tasà-alòna bihì wal-arhàma innal-loàha kàna a'laykom raqìbà) [An-Nisa: 1] (Yà ayyohal- lathìna àmanòu ittaqol-loàha haqqa toqàtihì walà tamòutonna illà wa antom moslimòuna) [Al-imran: 102] (Yà ayyohal- lathìna àmanòu ittaqol-loàha wa qòlò qawlan sadìdà (70) .Yoslih lakom a-'màlakom wa yaghfir lakom dhonòbakom waman yotii'l-loàha wa rasòlaho faqad fàza fawzan a'dhìmà) [Al-Ahzàb: 70-71]
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Tirmizi sy Nasày sy Ibno Màdjah ary Ahmad
“Tsy tokony hisaraka amin’ny mpino vavy ny mpino lahy, fa raha misy tsy tiany ny toetran’ny vehivavy iray, dia mba afapo amin'ny hafa izy.” Na koa hoy izy hoe : “ankoatrany”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim