Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
“Homeko ity faneva ity lehilahy iray mitia an’I Allah sy ny irany, ary Allah dia hanome fandresena eo am-pelatànany.” Hoy i Omar bin Al-Khattab : “Tsy naniry fitondrana aho afa-tsy tamin’io andro io, hoy izy : Nanantena aho ho voaantso. Niantso an’i Ali bin Abi Talib ny irak’Allah, ary nomeny azy izany dia hoy izy : “Mandehana, ary aza miverina, mandra-panomezan’I Allah fandresena anao". Hoy izy : “Nandeha kely i Ali, dia nijanona ary tsy nihodina, ka niantsoantso hoe : Ry irak’Allah ô, inona no iadianay amin’ny olona? Hoy i Mpaminany (S.A.W) namaly azy : “Miadia ianareo amin’izy ireo mandra-pijoroan’izy ireo vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mohammad no irak’Allah, raha manao izany izy ireo, dia fady aminao ny mandatsa-dràny sy ny fananany ary ny fitsarana azy ireo dia any amin’I Allah.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Tonga teo amin’ny Vato Mainty izy ary nanoroka izany ary niteny hoe : Fantatro fa vato ianao, sady tsy manimba no tsy mahasoa, ary raha tsy nahita ny Mpaminany (S.A.W) nanoroka anao aho dia tsy nanoroka anao velively.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izaho dia naheno tamin'ny Mpaminany (S.A.W) dimy alina talohan'ny nahafatesany fa Izy niteny ka nanao hoe : " Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza , Ka raha afaka nandray Olona natao ho sakaiza Aho amin'ity vahoako ity, dia mety noraisiko i Abo Bakri (R.A) ho sakaiza. Ka dia tena marina fa ireo vahoaka teo alohanareo dia nandray ny fasan'ireo Mpaminanin'izy ireo sy ireo Olona masina tamin'izy ireo ho toeram-pivavahana, ka eto Aho dia tena manakana Anareo ny amin'izany ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) momba ireo Ansar : “Tsy azo lazaina afa-tsy mpino ny mitia azy ireo, ary tsy azo lazaina afa-tsy mpihatsaravelatsihy ny mankahalana azy ireo, izay tia azy ireo dia ho tia azy Allah ary izay mankahala azy dia ho halan’i Allah koa”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitady an’i Thàbit ibn Qais ny Mpaminany (S.A.W), ka hoy ny lehilahy iray hoe : “Ry irak’Allah ô, mampahafantatra anao ny momba azy aho.” Dia tonga teo amin'i Thàbit izy ka nahita azy nipetraka tao an-tranony mitolefika ny lohany, ka hoy ny Mpaminany hoe : Inona no manjo anao? Dia niteny izy hoe : ratsy, nampiakatra ny feony ho ambony noho ny feon'ny Mpaminany (S.A.W) izy, koa zava-poana ny asany, ary anisan’ny mponin’ny Afobe izy, ka tonga ilay lehilahy nilaza taminy fa niteny an’izao sy izao izy, ka niverina tamin’ny manaraka nitondra vaovao tsara. Dia hoy izy : “Mandehana any ary lazao aminy hoe : Tsy isan'ny mponin’ny Afobe ianao, fa ho ao anisan’ny olon’ny Paradisa".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny tsara indrindra aminareo dia taonjatoko, avy eo ireo manaraka azy, avy eo ireo manaraka azy.” Hoy i Imran : Tsy fantatro na niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe afaka roa na telo taonjato. Hoy i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ary ao aorianareo dia hisy olona hamadika ka tsy hatokisana, izay ho vavolombelona hanambara nefa tsy nangatahina fijorona vavolombelona, izay hampitandrina nefa tsy hatokisana hihena, ary hisy tavy hiseho ao aminy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim