“i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina".
Tatitra azo avy tamin'i Saad Ibn Abi Waquas (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
“i Allah dia mankatia ny mpanompo matahotra azy sy manan-karena ary miafinkafina".
«إِنَّ اللهَ يُحِبُّ الْعَبْدَ التَّقِيَّ الْغَنِيَّ الْخَفِيَّ».
Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa Allah ilay Tsitoha dia mankatia ny mpanompony sasantsasany. Anisan’izany ny mpatahotra azy : izay manaraka ny didin’Allah sy miala amin’ny fandrarany. Ary mankatia ny mpanankarena : ilay tsy miantehitra amin'ny olona afa-tsy i Allah ary tsy miherika any amin'ny olon-kafa. Ary mankatia ny miafina : Ny manetry tena, ny manompo ny Tompony, sahirana amin’izay mahasoa azy, ary ny tsy miraharaha izay mahafantatra azy na miresaka momba azy amin’ny fiderana sy hatsarana.
....:
Fanazavana ny ampahany amin’ireo toetra takina amin’ny fitiavan’Allah ny mpanompony, izany dia ny fatahorana an'i Allah sy ny fanetren-tena ary fankasitrahana amin'izay nomen'Allah.
Sahìh Moslim (4/ 2277) (2965).
Ny Fanampiny (9)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (1/ 651).
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين.
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 509).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (3/ 509).
شرح النووي على مسلم (18/ 100).