Skip to content

Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.

Tatitra azo avy tamin'i Hozaifa (R.A) nilaza izy :

Rehefa mifoha amin'ny alina ny Mpaminany (S.A.W), miborosy ny vavany amin'ny siwak.

كَانَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ إِذَا قَامَ مِنَ اللَّيْلِ يَشُوصُ فَاهُ بِالسِّوَاكِ.

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Matetika ny Mpaminany (S.A.W) no nanadio ny vavany tamin'ny siwak sy nandidy ny amin'izany, ary nohamafisiny ny fanaovana izany tamin'ny fotoana sasantsasany, toy ny : manao siwak rehefa mifoha amin'ny alina, satria ny Mpaminany (S.A.W) dia nikosoka ny vavany amin'ny siwak.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Manaporofo ny maha ara-dalàna ny fampiasana ny siwak aorian'ny torimaso alina, satria ny torimaso manova ny fofon'ny vava, ary ny siwak no fitaovana fanadiovana.

Manamafy ny maha ara-dalàna ny siwak rehefa misy fiovan'ny fofona ratsy eo amin'ny vava, ho fakana ilay voalaza teo aloha.

Ny maha ara-dalàna ny fahadiovana amin'ny ankapobeny, ary izany dia ao anatin'ny Sonat Mpaminany (S.A.W) sy ny fahalalam-pomba ambony indrindra.

Ny fanaovana siwak ny vava iray manontolo dia ahitana : ny nify, ny hihy ary ny lela.

Ny siwak dia tapa-kazo avy amin'ny hazo "Arak" na hazo hafa, ampiasaina hanadiovana ny vava sy ny nify, hanadio ny vava ary hanala ny fofona ratsy.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (1/ 58) (245).

Sahìh Moslim (1/ 220) (255).

Ny Fanampiny (4)

تيسير العلام شرح عمدة الأحكام.

للبسام (ص47).

خلاصة الكلام شرح عمدة الأحكام.

لفيصل آل مبارك (ص24).