Skip to content

"Izay nihinana hanina ka niteny hoe : Alhamdoulillahillazi At'aamani haza warazakanihi min ghairi hawlin minni wala kowwa, izay midika hoe : Isaorana anie Allah izay nampihinana sy nanome ahy ity sakafo ity, tsy tamin'ny heriko na tanjaka avy amiko, dia ho voavela ny heloka vitany teo aloha."

Tatitra azo avy tamin'i Sahli bin Mo'az bin Anas, azony tamin'ny rainy, niteny ny Irak'Allah (S.A.W) manao hoe :

"Izay nihinana hanina ka niteny hoe : Alhamdoulillahillazi At'aamani haza warazakanihi min ghairi hawlin minni wala kowwa, izay midika hoe : Isaorana anie Allah izay nampihinana sy nanome ahy ity sakafo ity, tsy tamin'ny heriko na tanjaka avy amiko, dia ho voavela ny heloka vitany teo aloha."

«مَنْ أَكَلَ طَعَامًا فَقَالَ: الحَمْدُ لِلَّهِ الَّذِي أَطْعَمَنِي هَذَا وَرَزَقَنِيهِ مِنْ غَيْرِ حَوْلٍ مِنِّي وَلاَ قُوَّةٍ، غُفِرَ لَهُ مَا تَقَدَّمَ مِنْ ذَنْبِهِ».

Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
Tsara
Ny fanazavana

Mamporisika ny Mpaminany (S.A.W) ho an'izay mihinana sakafo mba hisaotra an’I Allah, satria tsy manana fahafahana hahita sakafo na hihinana izany aho raha tsy miaraka amin’I Allah Ilay Tsitoha sy ny fanampiany. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) dia nanome vaovao mahafaly ho an’izay rehetra nilaza izany fa mendrika ny famelan’I Allah ny fahotana kely vitany teo aloha.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Tsara ny midera an’i Allah Ilay Tsitoha amin’ny faran’ny sakafo.

Fanazavana ny haleben'ny fahasoavan’i Allah Tsitoha ho an’ny mpanompony, noho izy nanome azy ireo sy nanamora ny fivelomana, ary nofafany tamin’izany ny asa ratsy vitany.

Ny raharahan’ny mpanompo rehetra dia avy amin’I Allah Tsitoha avokoa, fa tsy amin’ny heriny na amin’ny herin'izy ireo na amin'ny tanjany, ary ny mpanompo dia asaina mitady ny fomba hahazoana azy fotsiny.

Loharano iverenana

Sonan At-Tirmizì (5/ 452) (3458).

Sonan Abo Daòd (6/ 138) (4023).

Sonan Ibn Màjah (4/ 417) (3285).

Mosnad Ahmad (24/ 394) (15632).

Ny Fanampiny (6)

نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.

مجموعة من الباحثين (1/ 602).

بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.

للهلالي (2/ 54).

تاج العروس من جواهر القاموس.

للزبيدي (28/ 366).