"Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo."
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaire (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy olona mitsangana avy amin'ny fivoriana izay tsy nahatsiarovana an'I Allah afa-tsy hoe mitsangana tahaka ny fatin'ny boriky, ka dia ho feno alahelo ho azy ireo."
«مَا مِنْ قَوْمٍ يَقُومُونَ مِنْ مَجْلِسٍ لَا يَذْكُرُونَ اللَّهَ فِيهِ إِلَّا قَامُوا عَنْ مِثْلِ جِيفَةِ حِمَارٍ، وَكَانَ لَهُمْ حَسْرَةً».
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy olona nipetraka teo am-pivoriana ka nitsangana avy eo ary tsy nahatsiaro an'I Allah tamin'izany afa-tsy ny nitsanganany toy ny olona mivory manodidina ny fatin'ampondra amin’ny fofona maimbo sy ny loto. Izany dia noho izy ireo variana niresaka zavatra tsy misy fahatsiarovana an'I Allah, ary izany fivoriana izany dia fanenenana ho azy ireo amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, ary tsy fahampiana sy fanenenana ho azy ireo.
Ny fampitandremana voalaza momba ny tsy firaharahiana ny fahatsiarovana an'I Allah dia tsy voafetra amin'ny fiaraha-mivory ihany, fa mihatra amin'ny hafa hoy i Al-Nawawi hoe : Tsy tsara ny olona mipetraka amin'ny toerana iray ary miala amin'izany mialohan'ny fiderana an'I Allah.
Ny alahelo izay hanjo azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty : na amin’ny tsy fahampian’ny valisoa amin’ny tsy fanararaotana ny fotoana hankato an’I Allah, na amin’ny fahotana sy ny sazy noho ny fandanian’izy ireo ny fotoana amin’ny tsy fankatoavana an’I Allah.
Ity fampitandremana ity : Raha mikasika ny zavatra azo atao izany mahavarina izany, dia ahoana ny amin'ny fipetrapetrana voarara izay misy fifosana sy fitondran-teny mampiady sy ny sisa?!
Sonan Abo Daòd (7/ 221) (4855).
Ny Fanampiny (4)
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
لسليم الهلالي (2/ 120).
نزهة المتقين شرح رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (1/ 654).
Cited in books
3 BooksNy Fanampiny (3)
- الذكر والدعاء والعلاج بالرقي من الكتاب والسنة"ما من قوم يقومون من مجلس لا يذكرون الله فيه، إلا قاموا عن مثل جيفة حمار، وكان لهم حسرة" .
- حصن المسلم من أذكار الكتاب والسنةحصن المسلم«مَا مِنْ قَوْمٍ يَقُومُونَ مِنْ مَجْلِسٍ لَا يَذْكُرُونَ اللَّهَ فِيهِ إِلَّا قَامُوا عَنْ مِثْلِ جِيفَةِ حِمَارٍ، وَكَانَ لهُمْ حَسْرةً»[14].
- رياض الصالحينرياض الصالحين مع فوائد وهدايات - 4«مَا مِنْ قَوْمِ يَقومُونَ مِنْ مَجْلِسٍ لا يَذْكُرُونَ اللهَ تعالىٰ فِيهِ، إلا قَامُوا عَنْ مِثلِ جِيفَةِ حِمَارٍ، وكانَ لَهُم حَسرَةً».