"Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana."
Tatitra azo avy tamin'i Abo Al-Haora Al-Saadi nilaza hoe : Hoy aho tamin'i Hasan bin Ali (R.A) : “Inona no mba tadidinao avy tamin’ny irak’Allah (S.A.W)? namaly izy hoe : Ny zavatra tadidiko avy tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) dia ny hoe :
"Avelao izay mampiahiahy anao ka mankanesa any amin'izay tsy mampisalasala anao, satria ny fahamarinana dia fitoniana, ary ny lainga dia fisalasalana."
«دَعْ مَا يَرِيبُكَ إِلَى مَا لاَ يَرِيبُكَ، فَإِنَّ الصِّدْقَ طُمَأْنِينَةٌ، وَإِنَّ الكَذِبَ رِيبَةٌ».
Nandidy ny Mpaminany (S.A.W) mba hialana amin'ny teny sy ny asa izay misy fisalasalana ny amin'ny hoe voarara na tsia azy, na koa hoe: voarara ve sa azo atao, ka mandeha any amin'ny tsy mmpisalasala momba azy, izay azonareo antoka fa tsara sy azo atao izany, satria miankina aminizay mampitony ny fo, ary izay mampisy fisalasalana dia mampitebiteby sy mampatery ny fo.
Ny mpino silamo dia tsy maintsy mametraka ny raharahany amin'ny fahatokiana ary miala amin'ireo mampisalasala, ary hahay tsara ny finoany.
Mandrara ny filatsahana ao anatin'ny ahiahy.
Raha mila fitoniana sy fampiononana ianao dia avelao ny zavatra mampisalasala ary apetraho any amin'ny sisiny.
Ny famindram-pon’I Allah amin’ny mpanompony satria nandidy azy ireo hanao izay mitondra fiadanan-tsaina sy fanahy Izy, ary nandrara azy ireo amin’izay mitondra tebiteby sy fikorontanana.
Sonan An-Nasàì (8/ 327) (5711).
Sonan At-Tirmizì (4/ 286) (2518).
Mosnad Ahmad (3/ 248) (1723).
Ny Fanampiny (5)
التحفة الربانية في شرح الأربعين حديثًا النووية.
لإسماعيل الأنصاري (ص29).
شرح الأربعين النووية.
لابن عثيمين (ص153).
فتح القوي المتين في شرح الأربعين وتتمة الخمسين للنووي وابن رجب (ص56).