"Raha namoaka vola fandaniana ho an'ny ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany".
Tatitra azo avy tamin'i Abou Massoudi (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Raha namoaka vola fandaniana ho an'ny ankohonany ny lehilahy iray ary manantena valisoa avy amin'i Allah dia voasokajy ho Swadakat izany".
«إِذَا أَنْفَقَ الرَّجُلُ عَلَى أَهْلِهِ يَحْتَسِبُهَا فَهُوَ لَهُ صَدَقَةٌ».
Milaza amintsika i Mpaminany (S.A.W) fa raha mandany vola amin’ny ankohonany izay tokony hamelomana azy ny lehilahy iray, toy ny vadiny, ny ray aman-dreniny, ny zanany ary ny hafa, nataony izany ho fanakakaizana an'i Allah ary manantena valisoa avy aminy, dia hahazo ny valisoan'ny Swadakat izy.
...:
Fahazoana valisoa ny fiantohana ny ankohonana.
Ny mpino dia manantena hatrany ny valisoa amin'izay zavatra rehetra ataony noho ny Tompo Allah, ary hahazo valisoa avy any amin'Allah.
Ilaina ny manana finiavana tsara sy madio amin'ny asa soa rehetra atao, ary tafiditra amin'izany fandaniana rehetra amin'ny ankohonana.
Sahìh Al-Bokhari (1/ 20) (55).
Sahìh Moslim (2/ 695) (1002).
Ny Fanampiny (8)
كنوز رياض الصالحين.
لمجموعة من الباحثين (5/ 334).
شرح رياض الصالحين.
لابن عثيمين (3/ 157).
نزهة المتقين بشرح رياض الصالحين.
لمصطفى الخن وغيره (1/ 293).
بهجة الناظرين شرح رياض الصالحين.
سليم الهلالي (1/ 375).