Skip to content

"Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra."

Tatitra azo avy tamin'i Omar (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :

"Izay mitafy lamba landy eto an-tany dia tsy hitafy izany any ankoatra."

«مَنْ لَبِسَ الحَرِيرَ فِي الدُّنْيَا لَمْ يَلْبَسْهُ فِي الآخِرَةِ».

Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Mari-pototra
Ny fanazavana

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manao lamba landy eto an-tany amin'ireo lehilahy dia tsy hitafy izany any ankoatra raha tsy nibebaka mba ho fanasazina azy.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

Ny tia ho lazaina amin'ny lamba landy etoana dia landy voajanahary madio tsy mifangaro, fa ny landy artifisialy kosa dia tsy tafiditra amin'ilay lazain'ny Hadith.

Voarara amin'ny lehilahy ny manao lamba landy.

Ny fandrarana ny fanaovana lamba landy dia mihatra amin'ny mitafy sy ny famelarana azy.

Azon'ny lehilahy atao ny mitafy lamba misy ampahany amin'ny lamba landy izay tsy mihoatra ny rantsan-tanana roa ka hatramin'ny efatra ny sakany eny ambonin'ny akanjo na amin'ny sisiny.

Loharano iverenana

Sahìh Al-Bokhari (7/ 150) (5834).

Sahìh Moslim (3/ 1641) (2069).

Ny Fanampiny (2)

منحة العلام في شرح بلوغ المرام.

لعبد الله الفوزان (4/ 207).