Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

277 of 665 cards

Clear filters

Narrator

Show all narrators (79)
النعمان بن بشير4 جابر بن عبد الله3 جرير بن عبد الله3 حذيفة3 عبادة بن الصامت3 ‌ابن عباس2 أبو أيوب الأنصاري2 أبو بكرة2 أبو قتادة2 أبو مسعود2 أبو هريرة قال2 أسامة بن زيد2 سهل بن سعد2 عقبة بن عامر2 علي2 عمر2 عمر بن الخطاب2 أبو أيوب1 أبو بردة الأنصاري1 أبو بردة بن أبي موسى1 أبو بشير الأنصاري1 أبو حازم بن دينار1 أبو حازم قال1 أبو حمزة أنس بن مالك1 أبو ذر1 أبو سعيد الخدري وعن أبي هريرة1 أبو طلحة1 ‌أبي قتادة السلمي1 ‌أبي هريرة1 أبيه قال1 أسماء بنت أبي بكر1 البراء1 البراء بن عازب1 الحسن قال1 المغيرة1 المغيرة بن شعبة1 المقداد بن عمرو الكندي1 ‌أنس بن مالك1 جبير بن مطعم1 حارثة بن وهب الخزاعي1 حكيم بن حزام1 زيد بن ثابت1 زيد بن خالد1 زيد بن خالد الجهني1 زينب بنت جحش1 سليمان بن صرد1 صفوان بن محرز قال1 طلحة بن عبيد الله1 ‌عائشة1 عائشة وعبد الله بن عباس1 عبادة1 عبد الرحمن بن أبي ليلى قال1 عبد الله بن عمرو بن العاص1 عبد الله بن مالك ابن بحينة1 عبد الله بن مغفل1 عدي بن حاتم1 عمار بن ياسر1 عمر بن أبي سلمة1 عمران بن حصين1 عمرو بن سليم الأنصاري قال1 ‌قتادة رحمه الله قال1 مالك بن أوس بن الحدثان أنه قال1 ‌محمود بن لبيد1 معاذ بن جبل1 معاوية1 معقل بن يسار المزني1 ميمونة أم المؤمنين1 ‌وراد كاتب المغيرة بن شعبة قال1 يحيى بن عمارة المازني قال1
“Ny antokon’olona voalohany hiditra ao amin’ny Paradisa dia hitovy endrika amin’ny volana fenomanana, ary ny manaraka azy dia ho tahaka ny kintana mamirapiratra eny amin’ny lanitra. ,Tsy mamany sy mangery izy ireo, tsy mandrora sns, volamena ny fihogony, misk ny hatsembohany, ary aloe vera sy manitra oud ny fandoroana azy. Ary ny vadiny dia tsara tarehy, noforonina tamin'ny fon'ny lehilahy iray, tahaka ny endrik’i Adama rainy, enim-polo hakiho miakatra any an-danitra.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيصفات الجنة والنار، الحياة الآخرة
"Izay manan-katao aminareo dia aoka izy hanambady, fa izany dia mampidina ny maso, sy miaro ny taovam-pananahana, ary izay tsy afaka kosa dia aoka izy hifehy, fa ho fiarovana ho azy izany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيفضل الصيام، فضل النكاح وآدابه
"Tsy mitsahatra mananatra ahy i Jibril (A.S) amin'ny mpiray vody rindrina amiko, ka nihevitra aho fa handova ahy izy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيالصلح وأحكام الجوار، الأخلاق الحميدةموضوعات الحديثالإحسان إلى الجارمحاور التعريف بالإسلاممحاسن الأخلاق
“Nodidian’ny Mpaminany (S.A.W) famoahana ny zakatol-fitr SWAA amin’ny antrendry na SWAA amin’ny voa maina, mamoaka an’izany avokoa ny andevo sy ny olon-tsotra, lahy sy ny vavy ary ny lehibe sy ny ankizy amin’ireo mpino silamo, ary nandidy ny hamoahana izany mialohan'ny hivoahan'ny olona mamonjy ny Soalat Eid”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيزكاة الفطر
“Izay nifehy iray andro amin’ny làlan’I Allah (noho tompo Allah) dia ho halavirin’I Allah im-pitopolo KHARIFA amin’ny Afobe ilay olona ”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيصيام التطوع
"Rehefa mampifanena sabatra ny mpino Islamo roa, dia samy any amin'ny Afobe avokoa na ny mpamono na ilay maty", Niteny aho hoe : Fa ahoana momba ilay novonoina? Namaly Izy manao hoe : "Satria izy niezaka mafy hamono ny rahalahiny".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيالجنايات، أعمال القلوب، ذم المعاصيموضوعات الحديثقتل النفس
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny, hoy I Allah : Naniry zavatra mora kokoa noho izany ho anao Aho, taminy anao mbola tao anatin’ny lamosin’i Adama: mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny zavatra hafa, nefa tsy nanaiky ianao afa-tsy ny fampitambarana ny fanompoana Ahy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيتوحيد الألوهية
Ali bin Abi Talib (R.A) nandefa tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) avy any Yemen ny sombin-bolamena vita amin'ny hoditra nopotehina izay tsy nangonina tamin'ny taniny. Nozarainy tamin'ny olona efatra izany, Dia i Uyaynah bin Badr, Aqra' bin Habis, ary Zayd Al-Khail, ary ny fahefatra : na i Alqamah na i Amer Ibn At-tofail, avy eo dia nisy lehilahy iray avy amin'ny namany niteny hoe : Mendrika an'izany izahay noho ireo olona ireo, niteny izy : Notaterina tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izany, ka hoy izy : “Tsy atokisanareo ve aho, nefa izaho azo itokisana amin'izay hafatra avy any an-danitra, ary tonga eo amiko ny fanambarana avy any an-danitra maraina sy hariva.” Hoy izy : Avy eo dia nitsangana ny lehilahy iray manjelanjelatra ny takolany, ny handriny mijoalajoala, ny volombava matevina, ny lohany voaharatra, ary ny akanjony dia voahosotra. Hoy izy : “Ry Irak'Allah, matahora an'Allah ianao". Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Indrisy, tsy izaho ve no mendrika indrindra amin’ny olona eto an-tany mba hatahotra an’Allah? Hoy izy : Dia lasa ilay lehilahy, ary hoy i Khaled bin Al-Walid : Ry irak'Allah, tsy tokony hotapahiko ve ny lohany? Hoy i Mpaminany (S.A.W) : “Tsia, angamba mivavaka izy.” Hoy i Khaled : Firy ny olona izay mivavaka amin’ny vavany no miteny izay tsy ao am-pony, hoy ny irak’Allah (S.A.W) : "Tsy nodidiana aho hanindrona ny fon'ny olona na hanapaka ny kibon'izy ireo." Hoy izy : “Dia nijery azy teo am-pitsanganana izy ka niteny hoe : “Eny tokoa, avy amin’ity lavaka ity no hivoahan’ny olona izay mamaky ny Bokin’Allah amin’ny fomba vaovao, nefa tsy mihoatra ny tendany izany, hilevona aminy finoany tahaky ny hafainganam-pandehan'ny balapilesy makany amin'ny lasibatra". Heveriko fa niteny izy hoe : "Raha tratrako izy ireo dia ho vonoiko tahaka ny namonoana an'i Thamod".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
التصنيف الشرعيالفرق والمذاهب القديمة النشأة