Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

72 of 665 cards

Clear filters
Hoy aho : Ry irak'Allah ô, inona no famonjena? Dia hoy izy : “Tandremo ny lelanao, ary halalao ho anao ny tranonao, ary mitomaniza amin'ny fahotanao.”
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
“Tsy misy olona manota, ka nitsangana nidio (nanao ouzò) ary nivavaka, avy eo dia mangataka famelan-keloka amin’Allah, afa-tsy mamela azy i Allah", avy eo izy namaky ity andininy masina ity : {Ary ireo rehetra izay nanao fahavetavetana, na koa nanao ny tsy rariny tamin'ny tenany; ka mahatsiaro an'Allah dia mangataka avy hatrany ny famelan-keloka taminy noho ireo heloka vitany} [Ãl Imran: 135].
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Tirmizì, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, Ibn Màjah, ary Ahmad
"Tsy misy fanambadiana afa-tsy amin'ny alàlan'ny mpiahy."
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad
"Izay naka fahalalana tamin'ny kintana dia efa mahazo ampahany tamin'ny ody, ka raha hampitomboiny izany dia mitombo ny filalaovany ny ody."
Mari-pototra Notantarain'I Abo Daòd, Ibn Màjah ary Ahmad
I Mpaminany (S.A.W) dia tsy mbola namela ireto Doan ireto isaky ny hariva sy ny maraina : "Allah ô, mangataka aminao aho mba hahita soa eto an-tany sy ny any ankoatra, Allah ô! Mangataka famelan-keloka sy fiadanan-tsaina aminao aho amin’ny finoako, ny tontoloko, ny fianakaviako, ary ny harenako, Allah ô, sarono ny kilemako – na : ary arovy ny zava-fahotako, Allah ô, arovy ny eo anoloako sy ny any aoriako, any ankavanako sy ny ankaviako, ary any amboniko ary mangaraka fiarovana aho mba tsy ho vonoina avy ambaniko".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì, Ibn Màjah, ary Ahmad
Hoy ilay Irak'Allah (S.A.W) tamin'ny marain’i Akaba, raha teo ambony ramevany izy : “Tsimpony vatokely aho.” Dia nitsimpona vato kely fito ho azy aho, izany ny vato kely fitorahina ao Akaba, dia nataony teo amin’ny felatànany izy ireo ka niteny izy manao hoe : “tahak'ireto no hitorahanareo.” Ary hoy izy : “Ry olombelona, ​​mitandrema amin’ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana, satria ny naharendrika ireo vahoaka talohanareo dia ny fihoaram-pefy eo amin’ny finoana".
Mari-pototra Notantarain'i Ibn Màjah, Al-Nasàì ary Ahmad
Tsy misy zavatra fenoin'ny Olombelona ratsy mihoatra ny kibony. Ampy ny Olombelona sakafo vitsivitsy afaka mampitraka ny hazon-damosiny. Saingy raha tsy vitany mihitsy, dia aoka ary ny ampahatelony ho an'ny sakafony, ampahatelony ho an'ny fisotrony, ary ampahatelony ho an'ny rivotra iainany.
Mari-pototra Notaterin'i Imam Ahmadi sy Tirmizi sy Nasày ary Ibno Màdjah
"Allah ô! Mangataka Aminao aho ny amin’ny soa rehetra: ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro, ary mangataka fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy rehetra, na ny ankehitriny sy ny ho avy, izay fantatro ny momba azy na tsy fantatro. Allah ô! Mangataka Aminao ny soa nangatahin’ny mpanomponao sy ny Mpaminaninao taminao aho, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny ratsy izay nangatahan'ny mpanomponao sy Mpaminaninao fiarovana taminao ny momba azy. Allah ô! mangataka Aminao ny Paradisa aho, ary na inona na inona teny na asa izay mampanakaiky ahy amin’izany, ary mitady fiarovana Aminao aho amin’ny Afobe sy izay rehetra mampanakaiky azy amiko. ary mangataka Aminao aho mba tsara daholo ny didy izay nalahatrao amiko".
Mari-pototra Notantarain'i Ibn Màdjah sy Ahmad