Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
Misy toetra efatra, izay Olona misy azy ireo dia lazaina fa mpihatsaravelatsihy, ary raha ampahany amin'izany no misy Aminy dia misy toetran'ny mpihatsaravelatsihy ihany Izy mandra-pamelany izany toetra izany : Olona izay mandainga rehefa miresaka, tsy manatanteraka ny teniny rehefa mampanantena zavatra, miala lalana (tsy milaza ny marina fa mitaky izay tsy Azy na mandà ny zon'ny hafa Aminy) rehefa misy disadisa, ary mahasahy mivadika rehefa manao ny fifanekena amin'ny zavatra.
Mari-pototra Notaterin’i Boukhari sy Mouslimo
" Ohatr'ireo mpihatsaravalatsihy dia toy ny ondry iray mijanona eo anelanelan'ny ondry roa, indraindray mirona makany amin'ny andaniny ary indraindray mirona makany amin'ny ankilany ".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Izay manana toetra efatra ireto dia tena mpihatsaravelatsihy madiodio, ary izay manana ny iray amin’ireo dia manana toetra fihatsarambelatsihy mandra-pialany aminy : Raha miteny izy dia mandainga, raha manao fanekena izy dia mamitaka, raha mampanantena dia mivadika, ary raha mifanolana amin'ny olona dia mihoam-pefy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny vavaka tena mavesatra indrindra ho an’ireo mpihatsaravelatsihy dia ny vavaka hariva (Icha) sy ny maraina (Fajr), ary raha fantan'izy ireo ny ao aminy, dia ho tonga hanao izany izy ireo na dia handady aza. Efa saika handidy ny amin'ny fananganana ny soalat aho, avy eo handidy lehilahy iray hitarika ny olona amin’ny soalat, aorian'izany aho handeha ka misy lehilahy maro miaraka amiko mitondra kitay ho any amin’ny vahoaka tsy manatrika ny soalat ka hodorako amin’ny afo ny tranony.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim