Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
"Misy zavatra roa amin'ny olona mahatonga ny tsy finoana : ny fifandirana momba ny firazanany ary ny fitomaniana amin'ny maty."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny elanelana misy eo amin'ny olona iray sy ny fanompoan-tsampy ary ny tsy finoana dia ny tsy fanaovana soalat."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Tsy misy olona miampanga ny hafa ho amin’ny fahalotoam-pitondran_tena, ary tsy miampanga ny hafa ho tsy mino, dia hiverina aminy ihany izany, raha tsy toy izany ny namany niampangany.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Ny fifanekena maha samihafa amintsika sy amin’izy ireo dia ny soalat, ka izay tsy manatanteraka izany dia efa mpikomy”.
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì, Al-Nasàì Ibn Màjah ary Ahmad
Nitarika Soalat Soubhy i Mpaminany (S.W.A) tao Hodaybiat taorian'ny filatsahan'ny Orana nandritry ny alina, rehefa tapitra izany dia nitodika tany amin'ny Olona Izy, ka dia Niteny hoe : " fantatrareo va inona no lazain'ny Tomponareo ? " Namaly Azy izy ireo ka nanao hoe : i Tompo Allah sy ny Irany ihany no mahalala, ka Niteny indray Izy ny hoe : " Misy amin'ireny Mpanompoko ireny tratra-maraina mino Ahy ary Mpikomy , Ka izay Niteny hoe : Nirotsaka amintsika ny Orana noho ny fahasoavan'i Tompo Allah sy ny indrafony, izany dia Mino Ahy ary tsy mikomy ny kintana, fa izay milaza hoe : Nohon'ny zavatra izany sy izany, ireny dia Mikomy Ahy ary mino ireny kintana ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Izaho Niteny ka nanao hoe : O ry Irak'Allah, Ibn Jad'àny tamin'ny vanim-potoanan'ny habadoana dia manohy ny rom-pihavanana, ary mampisakafo ireo mahantra, ka nahasoa azy ve izany ? dia Hoy i Mpaminany (S.A.W) Namaly Azy ka nanao hoe : “ Tsy mahasoa Azy akory izany, izy tsy Niteny mihitsy na dia indray Andro fa hoe : Tompoko, mamela ny fahotako amin’ny Andro fitsarana”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim