Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

20 of 665 cards

Clear filters
Nisy lehilahy iray tonga teo anatrehan'ny Mpaminany (S.A.W) ka Niteny Izy nanao hoe : O ! ry Irak'Allah, Inona ireo adidy lehibe roa? namaly izy ka nanao hoe : " Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe "
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Rendrika ireo mpihoam-pefy", Naveriny in-telo izany teny izany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Tao amin'ilay Irak'Allah (S.A.W) izahay, miisa sivy, na valo, na fito, hoy izy : “Tsy hanao velirano amin’ irak’Allah va ianareo?” ary vao tsy ela akory tamin'izany no nanaovanay velirano taminy, ka hoy izahay : “Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah” Dia hoy izy : “Tsy hanao velirano amin’ny irak’Allah va ianareo?” Dia hoy izahay : "Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah". Dia mbola niteny izy : "Tsy hanao velirano amin’ny irak’Allah va ianareo?" Hoy izy : “Namelatra ny tànanay izahay ka niteny hoe : Efa nanao velirano taminao izahay ry irak’Allah, ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.” efa hitako ny sasany tamin'ireny olona ireny latsaka taminy ny karavasiny , ka tsy mangataka na iza na iza hanome azy izany.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny anjely dia tsy miditra amin'ny trano misy alika na sary."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny, hoy I Allah : Naniry zavatra mora kokoa noho izany ho anao Aho, taminy anao mbola tao anatin’ny lamosin’i Adama: mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny zavatra hafa, nefa tsy nanaiky ianao afa-tsy ny fampitambarana ny fanompoana Ahy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niteny ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny iray hafa aho, hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe” Ary hoy aho hoe : Izay maty tsy miantso zavatra hafa ankoatra an’I Allah dia miditra ny Paradisa.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim