Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
Rehefa nivoaka nankany Honayn ny Mpaminany (S.A.W) dia nandalo teo akaikin'ny hazon'ireo mpanompo sampy izay voalaza fa misy rojo vy anantonana ny fitaovam-piadian'izy ireo, ka hoy ireo mpanaradiany hoe : o ry Irak'Allah, anaovy hazo ohatr'ity ho anay tahaka ny azy ireo. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Sobhànallàh! Izany dia tahaky ny voalazan’ny vahoakan’i Mosa manao hoe : “Anaovy tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo” [Al-A’raf: 138] Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad
"Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona".
Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra Notantarain'i Abo Daòd, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad
Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) niresaka taminy momba ny zavatra iray, dia hoy izy : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao." Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nataonao mitovy tantana amin'Allah aho?” Lazao fotsiny hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany”.
Tsara ny fampitana رواه ابن ماجه والنسائي في الكبرى وأحمد
Nisy fianakaviana tonga teo amin’ny Irak’Allah, ka nanao velirano tamin'ny sivy izy, ary natsahatrany ny iray. Hoy izy ireo : “Ry irak’Allah ô, nanao velirano tamin'ny sivy ianao ary natsahatrao ity? Hoy izy : “Ravaka ody”, ka natsofony ny tanany ary notapahiny izany, avy hatrany dia nanao velirano taminy izy tao aorian'izany, ary hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”.
Tsara Notantarain'i Ahmad