Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny hametrahana azy toy ny teo aloha, dia hoy izy : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho niteny hoe: “Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Rehefa miditra ao amin'ny moske ny iray aminareo, dia aoka izy hanao soalat roa raka'at avy hatrany mialohan'ny hipetrahany."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram."
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim