Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
"Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Rehefa nodidin'i Allah ho faty any amin'ny toerana iray ny mpanompony dia hataon'i Allah lasa misy antondiany any amin'io toerana io".
Mari-pototra Notantarain'i Al-Tirmizì
O rankizy ! Ireto misy teny maromaro hampianariko Anao: Arovy ireo didin'i Tompo Allah dia hiaro Anao Izy; arovy ireo didin'i Tompo Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka zavatra Ianao dia mangataha amin'i Tompo Allah; raha hangata-pitahiana Ianao dia mangataha fitahiana amin'i Tompo Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra ka mba mila hanasoa Anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa Anao izy ireo afa-tsy amin'izay zavatra efa nosoratan'i Tompo Allah ho azonao; ary raha hitambatra ihany koa izy ireo mba hanisy ratsy Anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanisy ratsy Anao izy ireo afa-tsy amin'ireo zavatra efa nosoratan'i Tompo Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka.
Mari-pototra Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
Niteny ilay Iraka mahafatokin' i Tompo Allah (S.A.W) tamin'ny Dadatoany ka nanao hoe : " Teneno ny hoe : Là ilàha illalloahou = izany hoe : Tena marina fa tsy misy Tompo mendrika ho tompoina afa-tsy i Allah irery ihany, fa izany teny izany no hijoroko vavolom-belona ho Anao amin'ny Andro farany " Hoy Izy namaly hoe : Raha tsy naneso sy nanome tsiny ahy amin'izany ireo foko sy firazanana Kouraisita - amin'ny fitenenan'izy ireo Ahy hoe : Ny tebiteby ihany no nahatonga azy hanao izany - dia ny mba ho nampifaly Anao tamin'izany Aho. Teo dia nampidinin'i Tompo Allah ilay andininy Soratra masina hoe : { Innaka Là Tahdy Man Ahbabta Waläki-nnalloaha Yahdiy Man Yasha = Tena marina fa Ianao dia tsy afaka mitarika izay Olona Tianao taritina ry Mouhammadi fa i Tompo Allah irery ihany no mitarika izay tiany } [ Al-qasas :56].
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim