Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

5 of 665 cards

Clear filters
“Avelaonareo aho amin'ny zavatra izay tsy natolotro anareo, fa tsy nisy afa-tsy ny fanontaniana sy ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpaminaniny no naharendrika ny vahoaka teo alohanareo , koa raha misy zavatra norarako anareo dia alaviro,fa izay nodidiko aminareo kosa dia ataovy arak'izay havitanareo azy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny andro tsara indrindra niposahan'ny masoandro dia ny andro zoma, izay nanamboarana an'i Adama, ary nampidirana azy tao amin'ny Paradisa, ary namoahana azy tao, ary tsy ho tonga ny andro farany raha tsy amin'ny andro zoma".
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Ny vahoakako rehetra dia miditra amin'ny Paradisa afa-tsy ireo izay nandà ihany". hoy ireo mpanara-diany hoe : O! Ry Irakan'Allah ! Iza no mandà? dia hoy izy namaly hoe : "Izay rehetra mankatò Ahy dia miditra amin'ny Paradisa; fa izay rehetra nitsipaka ahy kosa dia efa anisan'ireo nandà".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari
“Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahin’i Mohammad eo am-pelatànany, Tsy misy olona amin’ity vahoaka ity, na Jiosy na Kristianina, nandre ahy ka maty izy nefa tsy nino izay nanirahana ahy, afa-tsy hoe tafiditra ho vahoakan'Afobe.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
"Mianina aho amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, Efa hidina eo aminareo ho mpitsara marina i zanak'i Maria, ka hanapaka ny hazo fijaliana, hamono ny kisoa, hanala ny hetra, ary hampamaro ny harena ka tsy misy handray azy intsony ny olona".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim