Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
Tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) izy ary niteny hoe : Ry irak’Allah ô! Noelanelanin'ny Satana amin'ny fivavahako sy ny famakiako aho, nosaromany tamiko izany. Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) hoe : "izany dia devoly antsoina hoe Khinzab, ka raha tsapanao izy dia mitadiava fiarovana amin’Allah amin’izany, ary tsofy amin’ny tànanao ankavia intelo.”, hoy izy : “Dia nataoko izany, ka nesorin’Allah tamiko izy.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
Nisy Lehilahy iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) Niteny manao hoe : O ry Iraka mahafatokin'i Tompo Allah !! Ny iray Aminay mahatsapa zavatra am-pony, dia alehony lavitra ho tratran'ny gripa toy izay hiteny izany, hoy i Mpaminany (S.W.A) : " Allah Akbar, Allah Akbar, Lehibe tokoa i Tompo Allah, Lehibe tokoa i Tompo Allah fisaorana ho an'i Tompo Allah izay namerina ny teti-dratsiny any amin'ny faka-panahy ".
Mari-pototra Notantarain'i Abo Daòd sy Al-Nasàì tao amin'ny Al-Kobra
Niteny taminay ilay Irak' Allah, ary izy no marina no sady azo itokisana : " Mandalo dingana maromaro ny fiforonan'iray Aminareo ao anaty kibon'ny Reniny : Mandritra ny Efapolo andro sy alina, dia mbola tsiron’aina, avy eo miova ho lasa vaingan-dra Efapolo Andro aorian’izany, ary lasa tahaka ny nofon-kena maditidity Efapolo Andro manaraka, ka misy Anjely irahina ka manome fofon’aina Azy, ary asaina manoratra zavatra efatra dia : Ny anjarany, sy fe-potoana izay iainany, ny asa izay hataony (tsara na ratsy), ary ho anisan’ny ory sa olon-tsambatra. Misy aminareo hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao am-Paradisa (araka ny fahitan’Olona azy), ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany ny asa izay nataony Iny ka manao asan’Olona hiditra ao anaty Afobe Izy, ka maty ao anatin’izany dia lasa tafiditra any amin'ny (Afobe). Ary misy Aminareo ihany koa hanao asa fanaon’ny Olona hiditra ao anaty Afobe, ka rehefa manakaiky ny fotoana hahafaty Azy dia avelany izany dia manao asan’Olona hiditra ao amin'ny Paradisa Izy dia lasa tafiditra ao ".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lakolosy."
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim