Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

63 of 665 cards

Clear filters
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Hoy ny irak’Allah : “Niteny Allah ilay Tsitoha : Izaho dia ao an-tsain’ny mpanompoko, ary Izaho momba azy rehefa mahatsiaro Ahy izy, ka raha mahatsiaro Ahy ao an-tsainy izy, dia tsaroako fa ao amiko, ary raha manonona Ahy eo amin'ny toerana iray izy, dia hahatsiaro azy eo amin'ny toerana tsara noho izany aho, Ary raha manatona ahy amin'ny irain-jehy izy, dia manatona azy amin'ny hakiho aho, ary raha manatona ahy amin'ny hakiho izy, dia manatona azy amin'ny hakiho lava aho, ary raha manatona ahy am-pandehanana mora izy, dia manatona azy amin'ny dia maika aho”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
O rankizy ! Ireto misy teny maromaro hampianariko Anao: Arovy ireo didin'i Tompo Allah dia hiaro Anao Izy; arovy ireo didin'i Tompo Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka zavatra Ianao dia mangataha amin'i Tompo Allah; raha hangata-pitahiana Ianao dia mangataha fitahiana amin'i Tompo Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra ka mba mila hanasoa Anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa Anao izy ireo afa-tsy amin'izay zavatra efa nosoratan'i Tompo Allah ho azonao; ary raha hitambatra ihany koa izy ireo mba hanisy ratsy Anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanisy ratsy Anao izy ireo afa-tsy amin'ireo zavatra efa nosoratan'i Tompo Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka.
Mari-pototra Voarakitra ao amin'ny Bokin'i Tirmizi (R) sy ny ankoatra azy
Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Allah marina no naniraka anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo.” Hoy i Omar : “Mianiana aho amin'I Allah, fa tsy nianiana tamin’izany intsony aho hatramin’ny nandrenesako ny irak’Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy nanadino na koa nankatia.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Izay mijoro ho vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona Aminy, ary i Mohammad dia mpanompony sy Irakany, ary i Jesoa dia mpanompon’Allah sy Irany, ary ny teniny no natolony an’i Maria sy fanahy avy any Aminy. Ary misy tokoa ny Paradisa, ary misy ihany koa ny afobe, dia hampidirin’I Allah ao amin’ny Paradisa izy noho ny asany”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
"Midina eo amin'ny lanitra voalohany isaky ny alina ny tompontsika rehefa tonga ny ampatelon'ny alina farany, avy eo izy dia miteny manao hoe : "Iza no miantso Ahy ka hovaliako? Iza no mangataka amiko ka homeko? Ary iza mangatam-pamelana amiko fa hamela azy aho?".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim