Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

6 of 665 cards

Clear filters
Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho nilaza manao hoe niteny Allah Ilay avo indrindra : Ry zanak’i Adama, raha mbola mangataka amiko sy manantena Ahy ianao, dia hamela anao Aho ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha tonga eny amin’ny rahon’ny lanitra ny fahotanao, ary avy eo nangataka famelan-keloka tamiko ianao, dia havelako ny helokao, ary tsy raharahako, ry zanak’i Adama, raha manatona Ahy miaraka amin’ny fahotana eran’ny tany ianao, ary avy eo nifanena tamiko ka tsy nampiombona Ahy tamin'ny zavatra hafa, dia hitondra famelan-keloka mitovy velarana ami'izany ho anareo Aho”.
Tsara Notantarain'i Al-Tirmizì
“ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”.
Mari-pototra Notantaraiin'i Moslim
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny, hoy I Allah : Naniry zavatra mora kokoa noho izany ho anao Aho, taminy anao mbola tao anatin’ny lamosin’i Adama: mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny zavatra hafa, nefa tsy nanaiky ianao afa-tsy ny fampitambarana ny fanompoana Ahy".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitaingina biby i Mpaminany (S.W.A) niaraka tamin'i Mouaz Ibn Jabal tao aoriany, ka hoy izy : "O! Ry Moa'zh ibn Jabal" Namaly izy hoe : "Eny mihaino anao aho ry irak'i Allah!". Naveriny in-telo izany, avy eo dia niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : " Tsy misy olona mijoro ho vavolombelona marina avy ao am-pony fa tsy misy tompo afa-tsy Allah ary i Mouhammad no irak'Allah, afa-tsy ataon'i Allah fady azy ny Afobe". Hoy i Mouaz : "Holazaiko amin'ny olona ve izany mba hahafaly azy ireo?". Dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : “Sao dia lasa miantehitra amin'izany izy ireo”. Dia nolazain'i Mouaz ihany izany talohan'ny nahafatesany mba tsy ho tsiny aminy.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Raha mbola niara-nipetraka tamin'ny Mpaminany (S.W.A) Izahay, tao amin'ny Mosque, dia nisy Lehilahy iray niditra nitaingina rameva ary nifatorany ilay rameva izay noentiny. Avy eo nanontany ireo Soahaba Izy ka nanao hoe : Iza Aminareo no Mohammadi ? Ary i Mpaminany (S.W.A) mipetraka manelanelan'ny vahoaka, dia Niteny Izahay hoe : io lehilahy fotsy mipetraka io, ka Niteny taminy ilay Lehilahy hoe : O Ry ibn A'bdoul Mottàlib ! Namaly i Mpaminany (S.W.A) : Maheno Anao Aho, Niteny ilay Lehilahy : hanontany Anao Aho ary ho entitra amin'ilay fanontaniako ka aza tezitra Amiko Ianao. Niteny Izy : Anontanio izay ilainao, Dia hoy Izy : Manontany Anao Aho amin'ny Tomponao sy Tompon'ny teo aloha, i Tompo Allah marina no naniraka Anao ho amin'ny Olona rehetra ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, Allah marine ve no naniraka Anao ny hivavahanay in-dimy isan'andro, Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny Izy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Allah marina no naniraka anao hampifehy Anay iray volana mandritry ny taona ? Namaly Izy : Eny ! Tompo Allah tokoa. Niteny ilay Rangahy : Miangavy Anao Aho amin'ny anaran'i Tompo Allah, i Tompo Allah tokoa ve no naniraka Anao ny hamoahanay amin'ny ampahan-karenay omena ny mahantra Aminay ? Namaly i Mpaminany (S.A.W) : Eny ! Tompo Allah tokoa. Hoy ilay Lehilahy : “ Mino ny zavatra nentinao Aho, ary iraka avy amin’ny vahoakako ao aorianako Aho, ary izaho dia Dhamam Ibn Thaalabah, avy amin'ny foko Banu Saad bin Bakr.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim