Skip to content
665 Hadiths

Encyclopedia of Prophetic Hadiths

Filter results

4 of 665 cards

Clear filters
“Hozonin’I Allah anie ny Jiosy sy ny Kristianina noho ny fakan'izy ireo ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana". Hoy i Aisha : Raha tsy izany, dia naharihary ny fasany, saingy natahotra izy sao hatao moske.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Niditra tao amiko ny Irak'Allah (S.A.W) ka ny andri-tranoko, (na vata kely fitahirizan-javatra), nosaronako lamba misy sari-zavamananaina, ary nohony nahita izany izy, dia nongotany ary niova ny tarehiny, dia hoy izy hoe : “Ry Aisha, Ny olona hahazo famaizana mafy indrindra eo anatrehan’Allah amin’ny andro farany dia ireo izay mampitaha zavatra amin' ny zava-boarin’Allah". Hoy i Aisha : “Notapahinay ilay izy ary nataonay ondana iray na roa.”
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim
Nitantara tamin'ny irak'Allah i Ommou Salama momba ny fiangonana hitany tany amin'ny tanin'i Abyssinia, antsoina hoe Maria, ka nolazainy taminy ny zavatra hitany tao momba ny sary vongana. Dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske eo ambonin’ny fasany, ary anamboaran'izy ireo sary eo aminy, ireo no zavaboary ratsy indrindra eo imason’I Allah”.
Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim